mitaky fanovana ny sabotsy teo tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny na dia tsy nahafa-po azy ireo aza izany. Ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izay nanome fahafahana vonjimaika ny filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na SECES sampana Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, sy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, moa no anton’ny fisaorana nataon’izy ireo. Misaotra ihany koa ny herivelona rehetra, indrindra, fa isika avy amin’ny faritanin’i Toamasina na ny teto Antananarivo sy ny tany Toamasina, izany hoe ny “Adopt-FIZATO”, hoy izy ireo, tamin’ny fanohanana sy firaisam-po Betsimisaraka tsy misara-draha magnano ny firaisankina no hery. Isaorana ny fanohanantsika ireto mahery fontsika ireto, hoy hatrany ny solontenan’ny zanak’i Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, nankasitraka ny fanohanana ireo mpitarika sendika.
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny