Io rahateo ny sabotsy farany mialohan’ny alakamisy 16 novambra kasaina hanaovana ny fifidianana amboletra. Raha hiverenana, efa nivadika ho tolom-bahoaka ny hetsika notarihin’ny Firaisankinan’ny kandida hoentina mitaky ny fiverenana amin’ny Fanjakana tan-dalàna, fanajana ny fiandrianam-pirenena amin’ny alalan’ny fanoherana ny firotsahan’ny kandida efa nanary ny maha Malagasy azy, fitakiana ny fanadiovana ny fifidianana mba ho madio sy azo antoka ary eken’ny rehetra, fanovana ireo rafitra mitanila tahaka ny HCC, CENI, governemanta,… Tany ho any amin’ny tamin’ny 1ora tolakandro vao tena nafana ny hetsika. Feno sakana tamin’ny alalan’ny vato sy afo ny làlana rehefa niditra an’i Behoririka izay nisy ny ivony. Nisy ireo andian’olona nitoraka, ary namaly tamin’ny alalan’ny lakrimozenina nirefotrefotra kosa ny « forces » nentina nanapariahana ireo vahoaka. Voalaza fa nanetsika « Gros Bras » indray ny mpanao politika manohitra hetsika, nomanina niainga tetsy amin’ny Kianjan’i Malacam mba handoto sy higavy ny hetsi-bahoaka, ka isan’ny tazana teny an-toerana ny poti-by nitifirana miaraka amin’ny vy miranirany voalaza fa nikasana hamaky ny kodiaran’ny fiaran’ireo kandida. Natosika hatrany hihemotra ireo mpanao fihetsiketsehana, ka niala ny sakana voalohany sy ny sakana faharoa teo Behoririka. Nikisaka teny Andravoahangy akaikin’ny Looks indray ny mpanao izay nandoro kodiarana sy nanao sakana tamin’ny andrin-jiro lehiben’ny Jirama, raha toa ka niantrana teo anoloan’ny Suprême Center ny « forces ». Somary nifalavitra ny elanelana, saingy nanatona akaiky kokoa toko ny ho 20m miala amin’ny mpandrava ireo mpanao fihetsiketsehana izay niaraka tamin’ny sainam-pirenena lehibe sady niara-niredona ny hiram-pirenena sady nihorakoraka sy niredona hoe : « aza vonoina izahay ! ». Noterena tao ampovoany avy eo ireo vahoaka, ary niraradraraka ny lakrimozenina mahery vaika, izay tena nanepotra ara-bakiteny. Efa tany amin’ny tamin’ny 4ora sasany hariva vao tena tapitra ny fihetsiketsehana. Andaniny, saika tahaka ny tanàna maty avokoa ireo toeram-pivarotana sy tsena tahaka ny teo afovoan’Analakely, Behoririka, Andravoahangy ambony,…
FIFIDIANANA ANATY SAVOROVORO
Raha ny tatitry ny Prefen’Antananarivo, Jeneraly Ravelonarivo ny takarivan’ny sabotsy, dia 4 ny mpitandro filaminana naratra, ary nambara fa tsy hita sy tsy fantatra loatra ny isan'ny sivily naratra, kanefa tena nifamoivoy ny mpitaona maratra avy amin’ny Croix Rouge. Anisan’ny naratra mafy vokatry ny fanapoahana baomba Randriamanantena Manalintsoa Miora Lalaina, izay voa mafy ny ny masony, tendany, ny tongony,.. .Tonga nitsidika azy sy nampahery ny vadiny ary ny fianakaviany tety amin'ny hopitaly HJRA ny Kandida Hery Rajaonarimampianina, izay nisolo tena ihany koa ny vondron'ny Kandidà. Hanolo-tanana azy ireo amin'izay filàna amin'ny tohin'ny fitsaboana izahay ato amin'ny Collectif des Candidats". Olona 11 no nosamborina, izany hoe : tafakatra 22 izany, miampy ireo 10 izay dimy nogadraina, ary 5 ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, ary ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Andro vitsy mialohan’ny fifidianana no mitranga ny sary tahaka izao. Minia mikipy manao amboletra kosa ny fitondrana sy ny kandidany, ka na eo aza ny dinika sy ny fehin-kevitra samihafa amin’ny tokony hampiatoana ny fifidianana ka hanadiovana ny kianja politika aloha, dia tsy te hahalala izany ny ankilany, fa miezaka mampiteny ny basy aman-tafondro hampanekena ny teti-kadiny hibodo ny fahefahana amin’ny alalan’ny fifidianana maloto. Fifidianana azo antoka sy fahamarinan-toerana ara-politika inona no hisy amin’izao ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,