airtel

Politique

24-mars-2023

Politique

Fanoherana ny fizirizirian’ny Fanjakana Antoko maro handroso fanovana ny lalàm-pifidianana

Sample post image

Nanao fanambarana ireo antoko politika nidinika niaraka tamin’ny Vondron’ny Firaisamonim-pirenena (OSC) tetsy Antaninareenina omaly,

24-mars-2023

fa mahatsiaro ho manan’andraikitra eo anatrehan’ny firenena ary tapa-kevitra hivondrona ho fiarovana ny soatoavina Repoblikana ho fisorohana ny mety hisian’ny krizy vaovao indray ka hamela takaitra goavana ho an’ny fiainam-pirenena. Noho izany, manameloka ny fihetsiky ny fitondrana izay manakatom-baravarana amin’ny fifampiresahana ka tsy mampiseho fahavononana ny amin’ny hisian’ny fifidianana andraisan’ny daholobe anjara sy mangarahara izy ireo, ary naneho fa manindrahindra ny demokrasia sy ny fihavanana. Taorian’ny fifampiresahana malalaka sy ankitsi-po niaraka tamin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena,nanambara ihany koa ny ahiahiny manokana momba ny fifidianana filoham-pirenena ho avy sy ny eny anivon’ny kaomina. Noho izany, tapa-kevitra izy ireo fa: hanolotra eny anivon’ny Antenimiera, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany, ny fanovana ny lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana amin’ny ankapobeny sy ny fitsapankevi-bahoaka mba hisian’ny zotram-pifidianana mangarahara, andraisan’ny besinimaro anjara tsy manavakavaka ary indrindra ny hisian’ny fangaraharan’ny vola ampiasain’ny mpirotsaka ho fidiana sy ny famerana izany eo ambany fanarahamason’ny Vaomiera mpanara-maso ny famatsiambolan’ny antoko politika ary ny fitovian’ny mpirotsaka mandritra ny fotoam-pifidianana; hanokatra ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpisehatra tsara sitrapo rehetra izay mitovy fijery sy manana tanjona mitovy aminay;hifanome tanana amin’ny hery velona rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana ho fanabeazana ny vahoaka malagasy mikasika ny raharaham-pifidianana sy ny fanaraha-maso manontolo ny raharaha amin’ny androm-pifidianana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap