airtel

Politique

28-oct-2022

Politique

Fanolorana ofisialy ny PEM Niova ho fihaonambe momba ny fampiasam-bola…

Sample post image

araka ny fanamafisan’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Fiadidian’ny Repoblika. Nambara fa fihaonana lehibe hampivondronana ireo mpisehatra avy amin’ny fanjakana,

28-oct-2022

ny sehatra tsy miankina sy ireo mpandraharaha isan-karazany, mba hijerena miaraka ireo lalam-piaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana an'i Madagasikara io. Mandritra io fotoana io ihany koa no hanaovan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny jery todika ireo asa vita sy an-dalam-panatanterahana sy ny dingana manaraka ho tanterahina ao anatin’ny "Plan Emergence de Madagascar" na PEM, hoy ny fampitam-baovao. Toa niova indray izany ny serasera satria nambara tany aloha fa fampahafantarana ofisialy ny PEM kinanjo lazaina fa jery todika indray. Efa taoriana kelin’ny 19 janoary 2021 no nambara fa hampahafantarina ofisialy io PEM io, saingy tsy nety tanteraka, ary nolazaina fa dia hampahafantarina indray, kanefa toa niova ny serasera. Nambara fa hisy ireo atrikasa samihafa hotanterahina mandritra izao fihaonana lehibe izao, izay hiresahana ireo sehatra stratejika mety hampiasam-bola eto Madagasikara eo amin'ny lafiny fizahantany sy fitaterana, ny fampiroboroboana ny indostria, ny angovo, ireo fotodrafitrasam-pifandraisana, ny fambolena sy ny fampiofanana arak'asa. Inona no nahatonga ny Fanjakana hanova ny endriky ny serasera? Hoenti-mamafa ilay hoe: ho tapitra ny fe-potoana hiasana izay vao hanolotra drafitra hoenti-mitantana firenena? Tena mbola hisy zavatra goavana antenaina ve anefa amin’izao fitondrana izao sa dia ho seho ivelany sy fampitenenana sary tahaka ny tamin’ny IEM hoe: ireo ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka fa efa vonona?
Toky R


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap