Somary nanaitra ny endrika nisehoany, ary raha ny fahita hatrizay, dia misy ny fampisehoana ireo mpikambana vaovao sy fiaraha-maka sary amin’ny Filoham-pirenena ho an’ny endriny vaovao. Somary mampametra-panontaniana noho ny tsy nisian’izay sary izay hoe: teto an-toerana ve ny Filoha tamin’io andro io sa tsia? Misy mpanao politika mantsy naneho hevitra fa efa karazana fanonganam-panjakana ireny? Tao anatin’ny fahitalavitra tsy miankina Real TV omaly, momba iny fanovana iny sy ny raharaham-pirenena ankapobeny, dia nahitsy ny mpandinika politika Atoa Constant Raveloson nilaza, fa tsy manana fahefana mihoatra ny Praiminisitra Ntsay Christian intsony ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa ny Praiminisitra no nanao ny fanovana sy fanendrena fa tsy niankina tamin’ny fahefan’ny Filoha intsony, raha ny nambarany. “Tsy azontsika singanina fotsiny amin’ny hoe: omaly nisy fanovana. Aza adino, fa matoa i Ntsay Christian no mbola eo sy mitondra baolina eo dia efa tsy raharahiana izany ny fanapahan-kevitry ny antenimierampirenena. Misy krizin’andrim-panjakana, tafiditra amin’ny olana tsy voavaha amin’ny fomba tsotra, natao tsinontsinonana ny fanatsoaham-pitokisan’ny antenimierampirenena. Tsy voavaha amin’ny fomba tsotra, izany hoe: mandravona ny antenimiera miaraka amin’ilay minisitry ny fiarovana tamin’izany fotoana hoe: mpanakorontana miaraka amin’ny antenimiera”, hoy Atoa Constant Raveloson. Momba ny fanovana, “izay zavatra nampidirina tao na tamin’ny fomba ahoana na ahoana, ny zavatra lehibe amin’io dia tsy ny Filohan’ny Repoblika intsony izao fa efa karazana fanonganam-panjakana ataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian”, hoy hatrany izy. Noporofoiny, hoy izy, fa any amin’ny Praiminisitra ny tanjaka, ary noporofoiny tamin’ny fanovana governemanta. “Fifandanjan-kery io, izany hoe: izay mahery, ka mahery ilay Praiminisitra amin’izao mihoatra amin’ny andrim-panjakana sy andrim-pitondrana eto amin’ny tany sy ny firenena. Atao tsinontsinona ny antenimiera izay manana fahefana manala ny Praiminisitra. Ilay Praiminisitra tokony ho nalana dia mahasahy mandrahona ny Antenimierampirenena hoe: ianareo mpanakorontana, ary sahy mametraka amin’ny Filohan’ny Repoblika hoe: ianao no manala ahy raha sahy… Mahery lavitra ilay Praiminisitra noho ny fanapahan-kevitra ara-dalàna tao amin’ny antenimiera, ka izay no ataoko hoe: fandrombam-pahefana izany, hoy ny fanazavany. Nanomboka tamin’izy nipanika ka nandeha nitsabaka tamin’ny fivorian’ny depiote izay tsy ara-dalàna sy fahotana mahafaty amin’ny lalàmpanorenantsika hita hoe: efa nibolisatra tanteraka ny kabinetran’ny Filohan’ny Repoblika, efa naman’ny mihotsaka tanteraka sy tahaka ny tsy misy,… hoy Atoa Constant Raveloson izay nilaza mahitsy fa efa fihotsahan’ny Repoblika tanteraka izao.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,