fitondrana notarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, iny rehefa tafala teo amin’ny toerana izay notanany nandritry ny 5 taona ity farany. Omaly anefa dia nitohy ihany izay zava-mamoha henatra izay raha ny horonantsary niparitaka tany anaty tambazotran-tserasera. Depiote iray voalaza fa voafidy tao Mananjary no nifanasa vangy tamina mpitandro filaminana iray teny amin’ny lalana, izay rehefa nozohiana ny votoatin’ny resaka, dia nikasa hanara-maso ny fiaran’ity depiote ity ilay mpitandro filaminana. Nisafoaka ilay depiote ary nanakihana ity mpitandro filaminana ity ho tsy manaja olona ary saika hivoaka ny fiarany mihitsy saingy niverina niditra ihany avy ka niteny tamin’ilay olona hitany ho naka ny sary hoe “vonoy ny téléphonenao!”. Mbola nipoitra omaly indray araka izany ny zava-mamoha henatra na “scandale” izay heverina ankehitriny fa farasisan’ny fitondrana Rajoelina.
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny