airtel

Politique

12-avril-2023

Politique

Faritra Analamanga Ambany ny taham-pisoratan’anaran’ny mpifidy

Sample post image

Tsikaritra amin’ny raharaha fanaovazana manontolo ny lisi-pifidianana ankehitriny ny fiakaran’ny tahan’ny isan’ny mpifidy any amin’ny faritra heverina fa mitoka-monina na misy fahasarotana na “zones enclavés”

12-avril-2023

no filazan’ny maro azy. Raha mandray ho an’ny isam-paritany, dia Antananarivo no ambany indrindra izay eo amin’ny 66,25% mitaha amin’ny tanjona, ary raha ho an’ny Faritra dia Analamanga no ambany indrindra satria 62,69% hatreto. Raha handray faritra hafa izay tena ambony anefa, dia tafakatra any amin’ny 82,77% ny Faritra Sofia, 79,88% I Betsiboka, 79,21% ny Faritra Anosy ary ireo no telo voalohany. Raha ara-jeografika, ny làlana, toekarena, tsy fandriampahalemana,… noheverina fa ho sarotsarotra ny fahavitrihan’ny olona any amin’ireny faritra ireny mitaha amin’ny tanàn-dehibe, saingy ny mifanohitra amin’izay ny zava-misy amin’ny lisitra. Misy ireo antoko politika samihafa niahiahy ny amin’izany sao sanatria efa kajy politika mipetrapetraka. Raha nanontaniana ny mikasika an’io kosa ny CENI nahoana no ambony kokoa ny any amin’ny faritra heverina ho lavitra andriana, dia naneho fa tsy tokony ho adihevitra io, ary toa niampanga ireo mpanao politika sy vondrom-pivavahana sasany aza ny CENI. “Tsy tokony ho adihevitra ny hoe: ny avy any amin’ny tany lavitra andriana no ambony be ny taham-pahavitrihana amin’ny fisoratana anarana satria nisy antoko politika nanao fihetsiketsehana be mihitsy nisarika ny olona tsy hisoratra anarana tamin’ny voalohany, ary aty amin’ny volana janoary izy vao manarina izay, ary misy akony izay”, hoy ny Mpampaka-teny voalohany eo anivon’ny CENI Atoa Soava Andriamarotafika. Nambarany fa tsy tokony hanabarabara ny mpiray tanindrazana hoe: nahoana ny any amin’ny faritra lavitra no ambony na hoe: tsy tokony hanana taham-pahavitrihana noho ny amin’ny tanan-dehibe ve? Aminy, ny tompon’andraikitry ny CENI tany amin’ireny faritra ireny mety nanana fahavitrihana mitaha ny any amin’ny faritra hafa. “Ny eto Antananarivo izao latsaka tena hita fa latsaka ambany noho ny antony samihafa, ary misy faritra sasany ihany koa mety natanjatanjaka ireo antokom-pivavahana nanentana ny olona tsy hifidy, izay zavatra nisy daholo. Misy ihany koa ny fahamaroan’ny olona tsy manana karapanondro”, hoy izy. Ohatra noraisiny ny hoe: any Midongy ambony ny taha, saingy azo atao ny manao fanaraha-maso hoe: tena nandeha tsara sa natao tandrametaka? Fanabaribariana ny mpiray tanindrazana ihany ny filazana hoe: tsy tokony ho ambony noho ny an-tanan-dehibe ny any amin’ny faritra lavitra, hoy hatrany io tompon’andraikitry ny CENI.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap