airtel

Politique

13-févr-2024

Fiadian-tseza ho ao Tsimbazaza

10 tapitrisa ny antoka ho an’ny fifidianana depiote…

Sample post image

Namoaka izao volavolan-tetiandrom-pifidianana izay nalefa any

13-févr-2024

amin’ny Governemanta ny zoma 9 Febroary 2024 lasa teo ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana na ny CENI omaly. Ny 29 mey 2024 ho avy izao no tolo-kevitr’izy ireo hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka, ka ny 28 martsa 2024 hatramin’ny 6 Aprily 2024 no fe-potoana hametrahana ny antontan-taratasy ho filatsahan-kofidiana. Ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra kosa dia ny 8-28 mey 2024 amin’ny 00 ora. Ny 6 novambra 2024 kosa no tolo-kevitra hanaovana ny fifidianana Ben’ny Tanana sy Mpanolotsaina. Ny 8 jolay 2024 hatramin’ny 22 Jolay 2024 no fe-potoana hametrahana ny antontan- taratasy filatsahan-kofidiana. Ny hanatanterahana ny fampielezan-kevitra kosa dia ny 16 Oktobra 2024 hatramin’ny 5 Novambra 2024 amin’ny 00 ora. Araka izany dia misaraka ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina, ka izany no natao dia hahafahana manomana sy manatanteraka tsara azy ireo, hoy ny CENI. Fifidianana araka ny lisitra na « scrutin de liste » no atao amin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly, vata fandatsaham-bato tokana araka izany no hapetraka isaky ny biraom-pifidianana. Ny lisitry ny mpifidy hofaranana tanterakany 15 mey ho avy izao no hampiasaina mandritra ireo fifidianana roa mifanesy ato anatin’ny taona 2024 ireo. Nanipika ity vaomiera ity, fa izy no mikarakara ny fifidianana ka izy no tokony hanolotra ny daty ka asa raha hifanaraka amin’izay ny tapaky ny governemanta.
10 TAPITRISA NY ANTO-BOLA HO AN’NY DEPIOTE
Soso-kevitry birao maharitry ny CENI momba ny anto-bola izay ambara fa fandraisan’anjara amin’ireo kojakoja ara-pifidianana moa, dia hakarina ho 10 tapitrisa Ar ny anto-bola ho an’ny fifidianana depiote, raha 5 tapitrisa Ar teo aloha. Ho 10 tapitrisa sa mety mbola hiakatra ambonin’io satria ny an’ny Filoham-pirenena 50 tapitrisa Ar no lasa 200 tapitrisa ? Ny governemanta no tompon’ny teny farany fa mety ady fiady hanintsanana kandida ihany koa no fampiakarana anto-bola, ary ny antokon’ny fitondrana izay milaza fa mikasa haka toerana 120 aloha no heverina fa tena tsy manana sakana ara-bola hatreto. Arakaraka ny sokajin’ny kaominina, fa mety ho tonga hatramin’ny 5 tapitrisa Ar kosa ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna. Tsy voaresaka kosa ny hisian’ny fifidianam-paritra na voafaritry ny lalàmpanorenana amin’ny andininy faha-154 aza fa tokony fidian’ny vahoaka mivantana ny Lehiben’ny Faritra izay novain’ny mpitondra ankehitriny ho governora moa ny anarany. Mila tetibola ny fifidianana ka raha ny ao anatin’ny LFI hatreto dia depiote sy ben’ny tanàna ka tsy afaka hihoatra an’izany ny CENI, fa azo eritreretina ny fifidianam-paritra fa miankina amin’ny tetibola, hoy io vaomiera io. Eo amin’ny 44 miliara mahery kely eo ny fifidianana ben’ny solombavambahoaka na ary 50 miliara eo ho an’ny fifidianana ben’nytanàna, izay volam-panjakana madiodio na RPI (Ressource Propre Interne). Nilaza ny CENI fa tsy mitantana ny kitapombolam-panjakana hoe : ampy ve sa tsy ampy ny ao fa soso-kevitra no arosony. Eo anatrehan’ny hoe : ny ben’ny tanàna no efa tapitra ny taom-piasana kanefa ny fifidianana depiote no mandeha aloha, dia nilaza ny CENI fa ho tapitra tanteraka ihany koa ny taom-piasan’ny solombavambahoaka, ka tonga dia hirosoana ny fifidianana. Ho an’ny ben’ny tanàna kosa dia efa nisy ny didim-panjakana nivoaka hahafahan’izy ireo manohy aloha mandra-pahavoafidy ny ben’ny tanàna manaraka. Efa miditra ao anatin’ny hazakazaky ny fifidianana aloha izany isika izao satria tombanana fa ho voatazona ny soso-kevitry ny CENI, ary na mety hisy fiovana aza mety tsy hiala lavitra an’ireo.
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap