Mbola adihevitra hatramin’ny omaly ny famaritana ny fandaharam-potoana sy ny fandaniana izany, efa niroso ho alina vao tena nanomboka ny fivoriana fandaniana ny fandaharam-potoana. Teo anivon’ny Birao maharitra, voalaza fa nisy ny mitaky ny hamaritan’ny Minisitera ny hanolorana dieny izao ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ary misy ny maneho fa mbola manana fe-potoana hatramin’ny faran’ny volana. Niteraka resabe ihany koa ny volavolan-kevitra hampanantsoana ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny vola mikasika ny fanapahana ny vola omena ny solombavambahoaka sy ny fanomezana ny fiara tsy mataho-dàlana. Araka ny efa notaterina teto mantsy, efa nisy ny resaka nandeha amin’ny hampihenana ho 60 tapitrisa Ar ny tetibolan’ny CIAD (Crédit d'Investissement destiné à l’Appui au Développement) raha 250 tapitrisa Ar isaky ny depiote teo aloha ka asa hanao ahoana no hiafarany ? Raha ny vaovao farany omaly, dia najanona ny fampiantsoana ny Praiminisitra fa ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola ihany no nampanantsoina ho avy eny Tsimbazaza anio amin’ny 10 ora maraina, ka fihaonana mikaton-trano no hatao. Misy ihany koa ny fangatahana fifanatrehana na «face à face » amin’ny governemanta. Andrasana izany ny tatitra momba ny fandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana sy ny sary mety hitranga eny Tsimbazaza. Toa zary lasa sary miverina hatrany ao Tsimbazaza ny resaka fitakiana sy fiadiana tombotsoa samihafa ka asa mifanaraka amin’izany ve ny tamberiny ho an’ny vahoaka ? Na manana ny maro an’isa aza ny eo anivon’ny fitondrana dia mampanahy hatrany ny hiverenan’ny sary toy ny resaka malety, fa mbola azo antoka 100% ihany koa ny fisian’ny depiote mpisolelaka maro ka na efa tsy hita intsony aza izay zavatra tena mandeha sy milamina eto amin’ny firenena dia hisy foana ilay hoe : « misaotra ny fitondram-panjakana », « misaotra ny governemanta », « miasa ny fitondrana »,… Ny resaka fiadiana sy fitakiana ny famahana ny olam-bahoaka toa sinema no betsaka fa ny fiadiana ny tombotsoa no tena mibahan-toerana ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,