airtel

Politique

28-févr-2023

Politique

Fiainam-pirenena Hanasoavana fa tsy hampitahorana vahoaka ny fahefana !

Sample post image

Tsy finiavana hitsikera sy hanakiana, fa tena mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana Manerana ny Nosy. Tsy hoe: ny vahaolana no tsy misy,

28-févr-2023

fa ny fomba fiasa no toa mivaona tanteraka amin’ny tsy tokony ho izy satria toa any amin’ny làlan-diso no hampiasana ny fahefana. Taratr’izany io fampiasana ny mpitandro filaminana ampiasaina amin’ny politika mamohehitra io. Hanasoavana fa tsy hampitahorana vahoaka ny fahefana raha te handroso, saingy, saingy toa diso làlana isika.
ANY AMIN’NY TSY MIVONTO NO MANAINTAINA
Raha tarafina amin’ny fihetsiketsehana sy fandrangarangana hery amin’ny hetsiky ny mpanohitra isak’izay mihetsika, tsy tokony ho azo eritreretina akory ny fisian’ny tsy fandriampahalemana miseho amin’ny endriny maro. Sanatria lany andro manenjika mpanohitra, fa ny vahoaka Malagasy mandry an-driran’antsy andro aman’alina. Hatramin’ireo Lehibe farantampon’ny mpitandro filaminana manana andraikitra eo anivon’ny governemanta no miditra mandeha mihaodihaody eny amin’ny toerana hihaonan’ny mpanohitra ny zoma teo. Olona handeha hifety sy hanentana mpifidy ve no hamoahana sy handrangarangana hery tahaka ireny? Ny zava-miseho any ambanivolo eny fa an-tanan-dehibe samihafa any tsy misy mpahita? Aiza ve ka hatramin’ny hatramin’ny biraom-pokontany aza vaky tetsy Anosizato ary voalaza fa lasa ny lisi-pifidianana!? Any amin’ny tapany Atsimo, ankoatra ny halatra zaza varira sy voamaso ary ny halatra omby, miverina indray ny fanapahan-doha izay. Hatramin’ny faramparan’ny 2022 tany amin’ny oktobra tany ho any hatramin’izao febroary 2023 izao, manodidina ny 15 ny faty olona hita tapa-doha tany amin’ny faritra Menabe, Ihorombe, Atsimo Andrefana, eny fa tany amin’ny Faritra Vakinankaratra aza voakasika. Any amin’ny tapany Avaratra, mibanaka tanteraka ny sisin-tany.
MIBANAKA
Nahoraka indray izao ny faran’ny herinandro teo ny fahitana sambokely hafaha, izay nanomboka ny 1 febroary no efa nisy nahatsikaritra ny sambo iray mitondra ny anarana Bras d'eau, laharana PC 6938-OL-20, ity, tany Nosibe-Maintialaka, kaominin'Ampondra, distrikan'i Vohémar. Nisy nilaza fa nahitana teratany vahiny 4 tao anatiny. Ny 20 febroary teo vao nahazo fampandrenesana ny manam-pahefana, saingy efa babangoana tsy nisy mpandeha, tsy nisy mpanamory. Teratany Maorisianina 3 no karohina ahiana ho misy hidirany amin’io raharaha io. Any no matetika hitsoahan’ireo manana olana ara-pitsarana eto. Miondrana amin’ny alalan’ny sambokely mamonjy ireo Nosy rahavavy mailohan’ny hiondranana any Eoropa. Ny resaka trafikana harem-pirenena moa tsy lazaina intsony. Tahaka izany ihany koa ireo mpitsoa-ponenana avy eto, izay leo fahantrana eto ka mandeha mitady tany malemy hanorenam-pangady.
FAKANA AN-KERINY POLITIKA ?
Io indray fa miverina ny asa fakana an-keriny na “kidnapping” any amin’ny faritra Alaotra, manakaiky ny faritra Betsiboka iny rehefa nangingina ny tany Malaimbandy sy faritra hafa. Efa hatry ny ela no nisy fakana an-keriny, saingy tsy mbola mety voafehy ary tsikaritra ho rehefa akaiky fifidianana no toa mirongatra ka asa hoe: misy ambadika politika hitadiavam-bola hanaovana propagandy ve? Marina fa tsy mora ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, saingy ny fampiasan’ny mpanao politika ny mpitandro filaminana amin’ny tsy tokony ho izy, tsy amin’ny tombotsoam-bahoaka, hany ka toa mitady ho lasa endrika fanompana ny Malagasy izay toa tsy misy mpiahy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap