Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy izy ireo. Tsy takona afenina izany ary tandindonin-doza ny firenena noho ny fandikan-dalàna izay tsy henatra, tsy tahotra, tanterahana ankehitriny toy ny naneken’ny HCC ny firotsahan-kofidian’ny filoha teo aloha Andry Nirina Rajoelina na dia efa fantatra fa mizaka ny zom-pirenena vahiny izy. Eo koa ny tsy firaharahiana ny andininy faha 42 mahakasika ny zom-pirenena malagasy. Ny fanapahan-kevitra manitsakitsaka lalàna izay manome fahefana ny praiminisitra sy ny governemanta hiara-kitantana nefa ny filohan’ny antenimieran-doholona tsy nametra-pialàna akory. Midika izany aminay fa misy ny fitongilanana sy familiviliana ny lalàna ho an’ny tombontsoan’ny kandida iray tsy malagasy. Miantso antsika vehivavy, renim-pianakaviana tomponandraikitra rehetra mba tsy hanaiky izao fanitsakitsahana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy firenena izao. Tsy hiray tsikombakomba amin’ireo tsy tonga saina mpamadika tanindrazana. Ho saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenena, ny zo sy ny lalàna fototra misy eto Madagasikara. Ny vehivavy, ny reny no maha firenena ny firenena. Manana andraikitra isika. Mijoroa ho vehivavy sahy ho amin’ny soa iombonana ho an’ity firenena mamintsika ity, hoy hatrany ireto vehivavy avy amin’ny antoko politika samihafa ireto!
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny