airtel

Politique

12-sept-2023

Fialan’ny Filoha 60 andro mialoha

“Tsy araka ny tokony ho izy”, hoy Rajoelina

Sample post image

Isan’ireo kandida niatrika mivantana ny antsapaka ny filaharana omaly teny amin’ny CENI I Andry Rajoelina.

12-sept-2023

Nilaza ho miroso fa tsy mihemotra, ary manam-pinoana. Tsy ny laharana faha-13 intsony no azony fa fahatelo, ka nampifandraisiny amin’ny trinite masina hoe: “Ray, zanaka, fanahy masina” indray io, ka nilazany fa tsy kisendrasendra iny ka mino sy mahatoky izy, fa laharana tsy kisendrasendra fa avy amin’ny fanahy masina io, hoy izy. Ny fitantanana ny firenena, tao anatin’ny 5 taona tsy nanova Praiminisitra. Ao anatin’izao fametraham-pialana izao, dia efa niantso ahy sy nampahafantatra ny fanapahan-keviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona satria adidy mankadiry izany hitondra filankevitry ny minisitra izany, ary nekeko izay fampitam-baovao sy fanapahan-keviny izay hoe: ao anatin’ny fitantanana ny antoko, raha toa ka hijanona maha Filohan’ny antenimierandoholona izy ka ny governemanta izany araka ny lalàmpanorenana no hitantana ny firenena dia tsy misy maharatsy izany mihitsy, hoy I Andry Rajoelina. Ny Praiminisitra mantsy, hoy izy, efa zatra mitantana ny filankevitry ny governemanta, ary niara-nitantana taminy nitondra ny filankevitry ny minisitra. Fampandehan-draharaha tsotra ny fitohizan’ny fitantanan-draharaha ataon’ny governemanta anatin’ny 5 volana, ka ataoko fa tsy misy olana satria ny zavatra ataontsika dia ny hampilamina sy hitohizan’ireo fanapahan-kevitra fitondrana ny raharaham-pirenena, hoy hatrany I Andry Rajoelina, izay nilaza fa fanapahan-kevitra feno fahendrena ny an’ny Filohan’ny antenimierandoholona. Nanaitra kosa ny nilazan’I Andry Rajoelina hoe: “Ny lalàmpanorenantsika dia isan’ny lalàmpanorenana tokana maneran-tany satria eto Madagasikara irery ihany no misy hoe: filoham-pirenena mirotsaka ho kandida izany ka mametraka fialana 60 andro mialohan’ny fifidianana ary iray volana mialohan’ny fampielezan-kevitra. Ataoko fa ilaiko ihany koa angamba izay na tsy dia mifanaraka loatra amin’ny zavatra araka ny tokony ho izy satria amin’ny maha olombelona dia ilaiko ihany koa ny misintaka kely, ary ao anatin’izany no hakana fiaingana na ara-tsaina na ara-batana”, hoy I Andry Rajoelina. Izy anefa no nanao sy nametraka io lalàmpanorenana io rehefa avy naka fahefana tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ka hafahafa ihany ny firesany. Milaza fa hiverina matanjaka kokoa, hiverina mafimafy hiatrehana amin’ny fampielezan-kevitra, ary hitondra fandresena. Dia samy manaraka ny fizotry ny raharaham-pirenena izany ny rehetra hoe: mbola ho izay tokoa ve sa an-dàlana hitsimbadika ny tantara?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap