airtel

Politique

03-avril-2023

Politique

Fiandrianam-pirenena Voaviravira tanteraka

Sample post image

Tsy hoe tao anatin’ny 60 taona fotsiny fa tena mbola tsy nisy hatramin’izay mihitsy ny endrika famiravirana ny fiandrianam-pirenena niseho lany teto amin’ny firenena tao anatin’izao fitondrana ankehitriny izao.

03-avril-2023

Voaviravira tanteraka izany na an-davan’andro na andro fety, eny, anatin’ireo andro heverina fa tena tokony hanandratana izany satria tokony ho fahatsiarovana ireo mahery fon’ny firenena toy ny tamin’ny taona 1947, izay vao notsarovantsika ny 29 martsa teo, ohatra. Tamin’iny andro iny mihitsy anefa no nahitana izany hoe fahatsiarovana ny habibiana nataon’ny frantsay, izay hoe mpanjanaka tamin’ny fotoan’androny, tamin’ireo razambentsika kanefa dia saina frantsay sy malagasy no nihofahofa tao Fianarantsoa. Ny tsangambato, ny vakoka, ny fahatsiarovana ny tantaram-pirenena maro samihafa dia ireny hitantsika ireny fa voalokoloko sy voahova endrika isak’izay maha diavolana ny sain’ireo mpitantana eto amin’ny firenena na eo anivon’ny kaominina io na distrika, eny, na ny eo anivon’ny minisitera izay heverina fa tokony ho sarotiny amin’izany aza no hita indray fa mivoana amin’ny tokony ho fenitra arahana na eo amin’ny lafiny siantifika io na eo amin’ny lafiny iraisampirenena. Iza moa no manam-pahaizana tsy nanazava ny tsy mampety ny fisian’ny “Colisée” ao anaty rova, ohatra, na koa ny fanovana endrika ireo totohabato toy ny eny Antaninarenina sy Ambondrona? Mba miseho manome lesona ny hafa ny amin’ny tsy fihetezan’ny fandokoana loko mavo ny tsangambato amin’ny faritra hafa ny olon’ny fitondrana sasany fa hoe fandokoana politika, hono. Tsy vitan’ny hoe sady tsy manadihady akory hoe iza no nanao itony? Sao dia ny fitondranay ihany? Fa dia avy dia maneho sy mahalala ihany kay hoe tsy mety ilay izy. Mandiso ny hafa heveriny ho nanao izany nefa tsy ahitan-teny hatramin’izao manoloana ireo biraom-panjakana maro hatramin’ny lapam-pitsarana nolokoin’izao fitondrana izao volomboasary toy ny ao Nosy Boraha na “Sainte Marie” fotsiny, ohatra. Nezahana naverina nolokoina tamin’ny laoniny moa ilay tsangambato niteraka resabe ao Antsirabe kanefa dia iny navadiky ny mpanao azy iny indray ny lokon’ny sainam-pirenena. Ny antso an-tariby ifanaovan’ny filoham-pirenena amin’ny olona baikoiny tafaporitsaka sy henon’ny mpanara-baovao maro eny amin’ny tambazotran-tserasera efa tsy hita intsony izay ilazana fa dia mirary ny firenena ho tafavoaka amin’izao toerana misy azy izao moa izany sisa no azo atao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap