airtel

Politique

04-juin-2024

Fiaraha-miasa amin’i Madagasikara

Manomboka ny fahiranon’ny Eoropeanina…

Sample post image

Taorian’ny fandroahana ankolaka ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina, gejain’io Vondrona Firenena lehibe

04-juin-2024

ion y fandaharan’asa, ary mitohy ny faharefoan’ny fifandraisana eo amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy i Bruxelles, hoy ny lahatsoratry ny Africa Intelligence omaly 03 jona 2024. Vokatr’io dia fandaharan’asa maro no voalaza fa miantona. Betsaka ireo tetikasa miandry fankatoavana no mihisatra noho io raharaha fandroahana an-dRtoa Isabelle Delattre io, raha ny fanamarihana. Anisan’ny voakasika ny tetikasa roa lehibe izay mitentina 70 tapitrisa euros. Ny iray mikasika ny rohivoary ary ny iray mikasika fanofanana arak’asa. Nahemotra amin’ny fotoana mbola tsy fantatra ny fanasoniavana izany. Fanapahan-kevitra izay fambara voalohany maneho ny fahatezeran’ny Vondrona Eoropeanina amin’i Andry Rajoelina, raha ny fanehoan’io fampahalalam-baovao vahiny io. Ny tapaky ny volana mey no nanehoan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny fa mitohy ny fiaraha-miasa ary tsy misy fiantraikany ity resaka fangatahana fampodiana ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina ity. Io Minisitra io izay nanamafy fa tena nitsabatsabaka tamin’ny raharaha anatin’ny Firenena ilay diplaomaty matoa angatahana ny fanoloana azy. Raha milaza ny Fanjakana fa tsy misy fiantraikany, dia voalaza fa nampihenjana an’i Bruxelles io fanapahan-kevitra io. Ny Vondrona Eoropeanina izay voalaza fa mahatratra 472 tapitrisa dolara ny vola natokany hanohanana an’i Madagasikara amin’ny sehatra samihafa toy ny fotodrafitrasa sy angovo (228 tapitrisa euros), fanohanana ny sehatra tsy miankina (15 tapitrisa euros), fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra (156 tapitrisa euros). Ny tapaky ny volana jolay ho avy izao moa no tombatombanana handao tanteraka an’i Madagasikara i Isabelle Delattre. Noho ny olana ara-diplaomatika nitranga, tsy nisy ny fankalazana ny andron’i Eoropa sy ny herinandron’i Eoropa tokony ho nankalazaina ny 9 mey lasa teo noho ny toromarik’i Bruxelles. Nisy anefa ny fanamarihana izany tany Comores ny alakamisy 28 mey teo, ary tany an-toerana nitarika izany ny Ambasadaoro Isabelle Delattre. Manomboka hita taratra noho izany ny fiantraikan’ny fifanolanana ara-diplaomatika mivantana na ankolaka eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina. Raha tsiahivina dia nanao tsindro-paingotra nilaza ny maha tsy mifanaraka ny lalàmpanorenana sy tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona nosonianin’i Madagasikara an’ilay fanovana ny fehezan-dalàna famaizana ka hamosirana ny mpanolana no isan’ny nanenjehana an’i Isabelle Delattre. Nifanindran-dàlana tamin’izany ny filazana fa tsy marisika ny mpamatsy sy mpampiasa vola noho ny tsy fangaraharaham-pitantanana ny volan’ny FR (Fonds Routiers). Dia iny niaraha-nahita ireny niaraha-nahita ireny ny fanenjehana sy tonga hatramin’ny fandroahana ankolaka amin’ny alalan’ny fangatahana ny fanoloana. Io manomboka hita taratra io kosa ny fiantraikany, izay ny Malagasy no mizaka ny vokany satria ny Fitondrana tia mandrava na mbola tsy misy vahaolana fiandry aza.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap