miaraka tetsy Ampefiloha fa nahazo fankatoavana avy amin’ny CENI foibe izy ireo ka manolotra fisaorana ireo olompirenena rehetra nisoratra anarana tamin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Isaoranay etoana, hoy izy ireo, ny CLRE, ireo mpanisa mpifidy, sefo fokontany, ratsa-mangaikan’ny CENI manerana ny nosy tamin’ny fiaraha-miasa nandritry ny fanentanana sy fanaraha-maso nataonay teny ifotony. Eto am-pamaranana dia manantitrantitra ny antso fanentanana ny olompirenena izay mbola tsy nisoratra anarana anaty lisitra izahay mba hanatona haingana ny biraom-pokontany misy ny fonenany miaraka amin’ny karapanondrom-pirenena hanatanteraka izany satria zonao ny ho voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy ka aza ny hafa no avela hisitraka izany, hoy hatrany izy ireo. Tsy misy ny tonga lafatra fa hitanay kosa fa niezaka be ny CENI. Tsy mora na dia ny nanadio io lisitry ny mpifidy io aza. Vonona ny hanamafy ny fiaraha-miasanay amin’ny CENI noho izany izahay, hoy izy ireo. Vonona izahay, raha ny olona no lazaina, fa ny ara-pitaovana dia mbola manao antsoavo ireo malala-tanana izahay, izay afaka manohana anay. Tsy maintsy misy ny fifidianana. Mino izahay, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena miisa 16
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,