airtel

Politique

12-nov-2024

Fiaramanidina, lohamasinina, gropy lehibe

Mahafinaritra mihitsy ve ilay manafatra fitaovana brôkantera e ?

Sample post image

Nohamafisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny alahady alina teo ny nividianan’ny Fanjakana Malagasy

12-nov-2024

milina avy tany Inde afaka mamokatra herinaratra 105MW mitentina 28 tapitrisa dolara. Nolazaina mantsy fa mahatratra hatrany amin’ny 80-100 tapitrisa dolara isan-taona ny fanovana ny AKSAF mamokatra 54MW, Symbion MW 94, ary VESTOP 94MW, fa ity nambara fa novidiana tamin’ny Indianina ity antsika madiodio. Amin’ny lafiny iray aloha, tena mety hanahirana ny resaka solika hampiodinana azy io, ka raha efa manomboka miala amin’izy itony fa mihazakazaka amin’ny angovo azo havaozina ny firenena maro, dia isika kosa voatery miverin-dàlana manamafy ny fampiasana solika eo anatrehan’ny tsy nisian’ny politika momba ny angovo nahomby, dia ny fitsimbadihana amin’ny angovo madio sy azo havaozina, na ekena aza fa misy ireo tetikasa momba izany fa mihisatra sy tsy ampy. Izany eo ihany, fa toa zary fomba fanao sy fiasan’ny Fitondrana Rajoelina ity mividy zavatra efa maty kapoka na « brokantera » avy any ivelany ity. Efa nisy ny fampahalalam-baovao nitatitra fa efa niasa na «bonne occasion» tany Inde ity milina novidian’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny taona 2022 ity, izay nambara moa fa efa ao Toamasina. Toa sarotsarotra ny mampiakatra azy eto Antananarivo satria voalaza fa 70 taonina eo ny iray kanefa 40 taonina no zakan’ny RN2. Milina izay voalaza fa efa tsy niasa nanomboka ny taona 2016. Nadio sy nilamina ny tolo-bidy tamin’izany sa nandeha tamin’ny kiantranoantrano sy kibizibizina ? Misy mantsy ny resaka milaza fa tsy nisy tolo-bidy na « appel d’offres » fa «gré a gré» no nividianana io milina efa tsy nampiasain’ny Indianina io. Dia andrasana izany hoe : tena hahomby ve ity milina brokantera ity tsy dia misy mangarahara ity ?
TSY NANDRAY LESONA TAMIN’NY FAHAVOAZANA SA NY BIZINA ALOHA?
Raha mbola hampahatsiahy dia efa nisy ireo angidimby marika « alouette » 4 tamin’ny tetezamita izay efa maty kapoka, ary nisy aza ny natao fakana piesy, natambatambatra mba handeha,… Tsy fantatra intsony izay niafarany, ary ny iray aza tra-doza naharatrana miaramila 5 tany Tsaratanana ny janoary 2019. Tahaka izany ihany koa ny nividianana fiaramanidina Air Bus miisa 2 efa maty kapoka tamin’ny Frantsay ny taona 2012. Andry Rajoelina no nisantatra azy teto amintsika ny 12 aprily 2012. Sidina faharoa dia efa nisy fahasimbana ny “détecteur d’incendie” tao amin’ny “réacteur” ny an’ny iray. Tsy namokatra fa isika indray no namoahan’ny tribonaly ara-barotra Frantsay didy fampandoavana onitra 101 tapitrisa dolara ny desambra 2018,… Tahaka izany ihany koa ilay fiaramanidina Casa nomena ny tafika, kinanjo sidina vitsivitsy dia nanjavona, saingy narirarira teny, fa mbola amboarina,... Voalaza fa nalain’ny tompony kanefa efa nandoavana 4 tapitrisa dolara mahery,… Dia io ihany koa ny resaka lohamasinina novidiana tany Espagne natao ho an’ny FCE (Fianarantsoa Côte-Et), saingy nakarina aty Antananarivo. Lamasinina 4 efa narian’olona 10 taona no novidiana avy tany Espagne, ny iray efa tsy nisy maotera intsony. Tena tsy izy ary tsy azo ampisaina fa narian’ny tompony. Efa namono olona tamin’ny nampiasana azy teto,… Tsy finiavana hanakiana, fa toa zary lasa fomba fiasa ny fividianana brokantera dia mitovitovy hatrany ny fiafarany ! Tsy nahazo lesona sa noho ny bizina dia aleo mividy zavatra maty kapoka ? Tsy mendrika zavatra tsara ny Malagasy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap