Manao ranolava ny vono afo, kanefa toa lasa mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra. Ny Minisitry ny serasera milaza fa “par filiation” no nahazoan’ny Filoha ankehitriny, avy amin’ny Razambeny nizaka ny zom-pirenena Frantsay satria taranaka faha-4 izy,… Mizaka ny zom-pirenena Frantsay “par filiation”, ary izy tsy nisafidy hoe: atao Frantsay na Malagasy ny Raiamandreniny sy ny razambeny, hoy io Minisitra io. “Par diplomatie, izaho mino fa tamin’ny alalan’izany satria ny Filoha Andry Rajoelina dia niala teto Madagasikara, ary nanao ny fiainana ny politikany nanomboka ny volana martsa 2014, nandeha nampianatra ny zanany sy nikarakara ny vady aman-janany tany Frantsa. Nifototra tanteraka tamin’ny fiaianam-pianakaviany”, hoy ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha Rtoa Rinah Rakotomanga. Nambarany fa :“tsy nangataka zom-pirenena Frantsay ny filoha Andry Rajoelina fa nomena, ary zon'ny fanjakana Frantsay tanteraka izany. Ka ianao ve efa omena dia hiavonavona handà indray", hoy ny fanehoan-keviny. Angaha tsy avy amin’ny razambeny indray? Ilay hoe: “naturalisation” anefa dia tsy maintsy mangataka vao mahazo ka nomena sa nangatahana? Ny irakiraky ny Fanjakana Moussa Soalihy indray milaza fa tokony haatona aloha ny fampiharana ny lalàna momba ny zom-pirenena, momba ilay andiny faha-42 izay mahavery ny maha Malagasy ho an’izay mangataka zom-pirenena hafa ao aorian’ny faha-18 taonany, fa hampikorontana ary mety hampifamono antsika Malagasy eto mihitsy ny fampiharana an'io. Rehefa misy fandikan-dalàna mahakitika ny zoron-damban’ny Mpitondra ambony izany dia tokony haato aloha ny lalàna? Ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle moa nivoy ny hoe : tao anatin’ny 63 taona, maro ireo kandida nanana zom-pirenena hafa ankoatra ny maha Malagasy azy afaka nirotsaka ho Ben’ny tanàna, Solombavambahoaka, Loholona, Filohan’ny Repoblika ary neken’ireo rafitra sy Andrim-panjakana maro samihafa nandritra ny 63 taona. Ny adihevitra dia ny fomba nahazoan’i Andry Rajoelina azy.
FAMADIHAN-TANINDRAZANA, MIARO NY TOMBOTSOAN’I LAFRANTSA
Isan’ny mason-tsivan’ny Frantsay ao anatin’ny fanomezana ny zom-pirenena Frantsay ho an’ireo mangataka izany ny fanekena sy fiombon-kevitra amin’ny lalan-tsaina sy ny soatoavina manokan’ny Repoblika Frantsay na “être d’accord avec les principes et valeurs essentiels de la République”; manao zavatra manokana ho an’ny tombotsoan’i Lafrantsa na “services exceptionnels à la France”,… Eo no mety ho tafiditra ilay resaka famadihan-tanindrazana satria ny fiarovana ny tombotsoan’i Lafrantsa no ambony. Ny fampanantenana nataony hitakiana ny “îles Eparses”, ohatra, dia azo adika ho lainga variraraka. Ratsy toerana tanteraka i Andry Rajoelina ka asa izay hiafarany fa raha ny zava-nisy hatramin’izay niainga 2009 aloha dia toa mipetraka ho tsy maty manota izy sy ny ekipany…
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny