airtel

Politique

06-avril-2023

Politique

Fiatrehana ny fifidianana Mbola ankamantatra ny tohin’ilay fampihaonana nataon’ny CENI

Sample post image

Taorian’ny dinik’asa fampihaonana sy fakan-kevitra nataon’ny CENI niantsoana ireo mpiantsehatra mivantana na

06-avril-2023

ankolaka amin’ny fifidianana ny 24 martsa lasa teo teny amin’ny Novotel, dia nilaza ny CENI tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetrany Atoa Jean Louis Andriamifidy tamina fandaharana iray, fa navondrona ho teboka lehibe 4 ireo tolo-kevitry ny mpandray anjara. Hikendrena zotram-pifidianana mangarahara sy milamina ary azo itokisana ny CENI moa no làlan-tsaina nambara fa anton’iny fampihaonana iny. Tanjona tamin’izany ny handraisana ireo tolo-kevitra avy amin'ireo mpiantsehatra rehetra hahafahana mitady ny tokony hatao hanatanterahana izany tolo-kevitra izany. Teboka voalohany ny mikasika ny rijatenin-dalàna mifehy ny fifidianana. Faharoa, ny mikasika ny raharaham-pifidianana, ka voaresaka tao ny tolo-kevitra mikasika ny lisitry ny mpifidy, ny birao fandatsaham-bato ary ny voka-pifidianana. Fahatelo, ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana, ny fanentanana sy ny fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny tontolo politika. Farany, ny fanaraha-maso ny fifidianana. Nambara fa hozaraina amin’ireo mpandray anjara tamin’ny dinika avokoa io fehin-kevitra izay efa voasonian’ny filohan’ny CENI ary efa voarakitra ao antin’ny fitananana an-tsoratra eo anivon’ity voamiera ity. Dingana manaraka ny fampivoriana ireo mpiantsehatra rehetra ireo ary ny fijerena miaraka ny fomba hanatanterahana ireo tolo-kevitra voaray. Tombanana ho mbola sarotsarotra io dingana manaraka io, toy ny lalàm-pifidianana izay mbola adihevitra be. Tao anatin’io fivoriana io aza, dia nisy ny fanambarana politika nataon’ny Vondrona G5 (RMDM, PANORAMA, HPM, VPHM, HIFFIM) nilaza fa ny CENI mihitsy no tsy azo antoka noho ny olona mandrafitra azy, izay saika avy amin’ny fitondrana ny ankamaroany, fa tsy misy avy amin’ny fanoherana. Mifanindran-dàlana amin’izany, mihamafana ny toe-draharaha ara-politika toy ny fanapahan-kevitry ny fanjakana handrara ny hetsika ara-politika an-kalamanjana, ary saika miampanga ny CENI sy ny HCC noho ny fitazanana fotsiny ny fihetsiky ny Fanjakana ireo antoko mpanohitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap