fa eny amin’ny kianjan’ny 13 may no fotoana ho an’ny rahampitso sabotsy 04 novambra 2023. Tsy miova ny tanjona dia ny fanovana an’i Madagasikara miainga amin’ny famerenana ny Fanjakana tan-dalàna, famerenana ny fiandrianam-pirenena, fanoherana ny fifidianana amboletra sy fitakiana fifidianana madio, fanovana ireo rafitra ara-pifidianana tahaka ny HCC, CENI, fa indrindra ny governemanta. Efa izay no baikom-pitolomana nambaran’ny Firaisankinan’ny kandida, dia ny tsy maintsy hidirana ao amin’io Kianja manan-tantara ao amin’ny 13 may io, izay teo no nanovana tantara, ary mbola eo no hanovana ny tantara amin’ity, hoy ny Firaisankinan’ny kandida tamin’ny alalan’i Hajo Andrianainarivelo. Tampoka teo anefa, niparitaka nanomboka omaly hariva ny serasera fa hanao diabe na « carnaval » eto Antananarivo ihany koa ny TGV na ny volomboasary ny sabotsy izao manomboka amin’ny 10 ora maraina. Rond point Antanimena, Kianja Barea Mahamasina, ary ny Rond Point Antsahabe no voalaza fa hiaingan’izany. Ireo toerana ireo izay azo lazaina ho vavalanana na kihon-dàlana hidirana an’Anakely sy ny Kianjan’ny 13 may avokoa. Fifandrifian-javatra ihany ve izany sa fihantsiana sy fikasana hampifandona ny vahoaka? Mampanahy ny fihetsiky ny volomboasary, izay toa mamboly fifandonana, mamerina indray ny fihantsiana efa fanaony, mba hoentina mihetraketraka ny vahoaka izay mandeha am-pilaminana. Iray volana omaly no nanombohan’ny hetsika, saingy tsy mbola nisy na atody iray aza vaky, araka ny firesak’ireo kandida. Nezahina nokorontanina, nandefasana olona miakanjo volomboasary nigafy, tahaka ny teny Ampasapito ny 13 oktobra, ny teny Andavamamba ny 17 oktobra nisian’ny fanakanana fiara, fanimbana ny fiaran’ireo kandida, fitorahana tamin’ny tavoahangy feno amany,... Vitavita ho azy avokoa ireny? Ny teny antsefantsefany teny, dia mbola ny fisiana andiana volomboasary mihantsy ady tahaka ny teny Ampasampito sy Ambohimahitsy ny alatsinainy teo,… Sady miziriziry eo anatrehan’ny raharaham-pirenena izay tena tafiditra anaty krizy lalina ka ireo rafitra rehetra niantso fanelanelanana toa hanaovana bemarenina, ary izao indray izy toa mandrisika ny olony hirombo sy mamboly vahoaka hiady an-trano? Mbola mendrika ny hitondra sy afaka tena hitandro ny firaisam-pirenena araka ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana ve?
Toky R
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika