airtel

Politique

24-mai-2023

Politique

Fifanatrehana amin’ny depiote eny Tsimbazaza Ny Praiminisitra miampy minisitra 4 no hamaky lay

Sample post image

Raikitra manomboka anio 24 may ary haharitra 5 andro, izany hoe : hatramin’ny 31 may izao ny fifanatrehana eo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta.

24-mai-2023

Ny Lehiben’ny governemanta sy minisitra 4 no hihaona voalohany amin’ireo depiote anio, ka hosantarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’ny alalan’ny fanaovana tatitra eo anoloan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza rahampitso 24 may 2023 ny fihaonana. Hanomboka amin’ny 10 ora ny fifanatrehana, ka ankoatra y minisitry ny Fiarovam-pirenena no hanao tatitra aorian’izay, arahan’ny minisitry ny Filaminambahoaka sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovampirenena misahana ny Zandarimariam-pirenena. Ny minisitry ny Raharahambahiny sy ny minisitry ny Fitsarana kosa no hanao tatitra amin’ny tapany hariva, manomboka amin’ny 3 ora. Mandritra ny 5 andro ny fanatrehan’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna eny Tsimbazaza amin’ity in-dray mitoraka ity. Raha tsiahivina dia tsy raikitra ny fihaonana tokony hanaovan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna ny volana desambra 2022 lasa teo noho ny raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Ankoatra ny fanaovana tatitra ny asa vitan’ny governemanta, dia misy hatrany ny fametraham-panontaniana ataon’ny solombavambahoaka. Tombanana hafampana ny fihaonana, izay heverina fa fivoriana ara-potoana faran’ny Antenimierampirenena ao anatin’ny fe-potoana iasan’ny Fanjakana Rajoelina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap