airtel

Politique

08-févr-2023

Politique

Fifandirany amin’i Mamy Ravatomanga Nanamafy ny fijoroany vavolombelona i Rolly Mercia

Sample post image

Niakatra fitsarana omaly 07 febroary 2023 tetsy Anosy indray ny Minisitra teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia,

08-févr-2023

izay notorian’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ho nanao fijoroana vavolombelona mandainga tany amin’ny PNF (Parquet National Financier) any France. Tsy nety namoaka ny tena fijoroana vavolombelona any amin’ny PNF I Rolly Mercia na nosokirin’ny fisarana aza, saingy namerina nanamafy ny fijoroana vavolombelona, rehefa nahatsiaro ho voafitaka. Ankoatra azy, voatonona tao amin’ny fitsarana ihany koa ny anaran’i Voahangy Rajaonarimampianina, izay voalaza fa niray tsikombakomba tamin’ny fijoroana vavolombelona mandainga. Notononin’i Rolly Mercia ho nampiantso ny fianakaviany mba hisintona ny taratasy fijoroana vavolombelona ihany koa Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, ka teny amin’ny Villa Pradon Antanimena no nanaovana izany, ary ny setriny dia ny fanafahana azy madiodio tamin’ny raharaha Berija nanenjehana azy. Ny anabaviny sy ny zanany mihitsy no nihaona tamin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, raha ny nambarany. Vao nanamafy indray ilayy fijoroana vavolombelona I Rolly Mercia, raha ny nambarany teo anivon’ny fitsarana na nisy aza ny taratasy fisintonana izany niaraka tamin’ny fialan-tsiny tamin’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ny oktobra 2020 satria nahatsiaro voafitaka noho izy vao mainka nohelohina 44 volana. “Henonareo ny anaran’ny olona izay naka ny taratasy tamin’I Rolly Mercia, ka nampanantena fa raha manatsoaka an’io fijoroana vavolombelona tany amin’ny PNF io io dia atao afaka madiodio amin’ny raharaham-pitsarana. Mpanolontsaina manokana tao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Hay azo atao tahaka izany ny fitsarana hoe: ataovy an’izao fa izahay no mikarakara ny àry, ary ho afaka ianao”, hoy ny mpisolovava Eric Rafidison. Nohenjehina ihany koa ny vadin’ny Filoha teo aloha Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina ho niray tsikombakomba tamin’ny fijoroana vavolombelona tsy marina io, ka isika milaza fa dosie tsotra fa rehefa mahita ny zavatra ao anatiny dia politika io dosie io, hoy hatrany ny mpisolovava. Misy teratany Frantsay ihany koa voahenjika miaraka amin’I Rolly Mercia ho nanao fijoroana vavolombelona mandainga tany Paris, saingy tsy henjehin’ny lalàna any amin’io firenena io ny zavatra nataony, ka rehefa tsy henjehin’ny lalàna any dia tsy azonao henjehina amin’ny lalàna aty aminao, hoy hatrany io mpisolovava io. Nangataka ny hampitsaharana ny fitsarana ny mpisolovava izay nambara fa tsy mahefa amin’io ny fitsarana ady heloka tsotra, fa ny PAC (Pôle Anti-corruption) noho ny loham-panenjehana mikasika ady amin’ny kolikoly. Ny 14 febroary 2023 izao no hivoaka ny didim-pitsarana an’I Rolly Mercia, ka andrasana indray ny tohiny hoe: hanao ahoana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap