airtel

Politique

28-août-2023

Fifehezan’ny fitondrana fanehoan-kevitra

Ambony noho ny fiarovana aim-bahoaka

Sample post image

Niharihary ny zoma 25 aogositra 2023 nanoloana ny fifanosehana ka nahafatesan’olona am-polony maro sy naharatrana malagasy efa ho an-jatony

28-août-2023

indray fa ambony noho ny fiarovana aim-bahoaka ny fifehezan’ny fitondrana fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Tsy nisy am-bolana na an-taonany fa tao anaty 2 andro monja dia azo nandrefesana na nampitahana ny lanjan’izany fiarovana ny aim-bahoaka izany ho an’izao fitondrana mijoro ankehitriny izao. Mpianatra 1 sy 2 nitaky ny zony teny Ankatso no maty daroky ny mpitandro filaminana efa ho am-polony na mahery aza ny 24 aogositra. Mpanao politika andeha hivory anaty trano no natao naha seriny ny EMMOREG ny nanakana azy ireo tsy hivory sy haneho hevitra teny amin’ny Yandy By pass, ny andron’iny ihany. 13 isa no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Fandriana ary nisy maty 1. Tsy vao sambany tamin’ny lozam-pifamoivoizana moa iny fa efa tsy miafina ny rehetra intsony ny nifanesisesy tato ho ato. Eto an-drenivohitra aza ao anatin’ny herinandro no misy lozam-pifamoivoizana nataon’ny zotra 119 in-droa misesy tetsy Ambohijatovo tetsy. Mampametra-panontaniana hoe tena mba mandeha araka ny tokony ho izy ve ny fitsirihana tekinika ao amin’ny foibe natao iandraikitra izany ao? Ny tsy fandriampahalemana mameno tanàna manginy fotsiny. Tsy vao sambany koa, tsiahivina hatrany, nahafaty sy nandatsan-dra vahoaka malagasy maro ny lanonana maha vory vahoaka notontosaina tato anatin’ity fitondrana ity fa efa 16 koa no maty raha hijery matso tao ny 26 jona 2019. Ny nahagaga dia ny hoe tsy nahay naka lesona ho fanatsarana ny fandaminana sy fikarakarana lanonana mihitsy ve fa rehefa mamirapiratra fotsiny ny seho ivelany amin’ny andro alina dia ampy izay?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap