Eo ny hoe: fahataperan’ny paikandro mikasika ny fahafaha-mitory mikasika ny fanafoanana ny tsy fahafaha-mirotsaka tamin’ny 2018 sy ny fangatahana fanonganana, fa mbola adihevitra ihany koa ilay resaka zom-pirenena. Efa nandeha ny karazana fampitandremana nataon’ny mpanao politika sasany tahaka an’Atoa Hajo Andrianainarivelo Filohan’ny MMM fa hanao andrimaso izay mpitsara sahy mbola hamoaka ny taratasy manamarina ny zom-pirenena Malagasy ho an-dRajoelina. Hahasakana azy sy ny antokony ve izany? Tsy efa eny am-pelantanany ve ny taratasy? Karazan’ny efa mizotra amin’ny sary politika isika amin’izao fotoana izao. Na eo aza ny adihevitra momba ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona, ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna, ny fifidianana madio sy malalaka ary mangarahara,… dia toa tsy izay ny sary asehon’ny mpitondra fa miainga amin’ny ady ankamely, gafigafy, ankasomparana mivantana na ankolaka,… Betsaka ny sary maneho izany! Ao anatin’ny “pré-campagne”, mandeha ny sakantsakana maro samihafa, sakanana mivantana sy ankolaka ny kandida samihafa mba tsy hezahana hanakonana fa mahazaka vahoaka, hany hahiboka any an’efitrano, ary misy aza ny efa mahazo alalana any anaty toerana mifefy sy anaty rindrin’efatra no nofoanana tampoka ny fahazoan-dàlana. Ny filoha ankehitriny sy ny antokony anefa tena atao izay fomba rehetra hanehoana fa mazaka olona, malalaka hatreny an-dalambe, hatramin’ny afo olaimpika tsenaina any Antsiranana dia avy eo raisina any Toliara indray,… Efa mandeha ny don-tandroka samihafa ataon’ireo antoko sy mpanao mpanao politika ao anatin’ny fitondrana fa tsy mbola nisy zava-bita aza lany, mainka efa nahavita zavatra tahaka ny fotodrafitra. Ny fandrangarangana hery sy fahefana miseho amin’ny endriny samihafa moa efa miharihary sy toa misy hafatra tiana hampidirina any am-parahatoky ny olona ireny, fa ireto no tsy maintsy ekena ho mpandresy. Taratr’izany ireny fampiderana begalona nitehaka tamin’ny fandaharana manokan’ny Filoham-pirenena ireny. Ny ahiahy amin’ny mety hidiran’ny fitaovam-piadiana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao atahorana mafy!? Ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny volam-panjakana ho an’ny tombotsoa politika efa tsy lazainy intsony. Iaraha-maheno izao ny fitarainan’ny kandida samihafa momba ny fanasarotana ny fahazoana ny taratasy ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana, ny fampiasana ireo solontenam-panjakana tahaka ny prefe sy lehiben’ny distrika amin’ny sakantsakana samihafa, ny fanasarotana ny fampidirana angidimby ho an’ny kandida filoham-pirenena. Izany ve tsy efa fanokafana varavarana makany amin’ny kopisoroka sy rombo? Hatao sorona noho ny fitiavan-tseza sy fahefana hatrany ny firenena?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,