airtel

Politique

01-oct-2024

Fifidianana ben’ny tanàna

Antananarivo no fanovàna!

Sample post image

Toy ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny renivohi-paritany rehetra maneran-tany

01-oct-2024

dia heverina fa stratejika be ihany koa ny mikasika ny hazakazaka ahazoana ny tanànan’Antananarivo ankehitriny. Antananarivo, izay renivohitr’i Madagasikara koa, no heverina fa maro solontenan’ireo faritra miisa 24 indrindra, raha samy renivohi-paritany eto Madagasikara no resaka, izany hoe, ankoatran’i Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana. Tsy mahagaga ihany koa, noho izany, raha, fara-faha keliny, manasaka ny isan’ireo kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo no manana fihaviana amina faritra hafa toa an’i Fandriana na Ambositra na Toliara sy ny tahaka izany hatrany. Tsy an’ny merina irery intsony i Antananarivo, hoy ny tomponandraikitry ny kaominin’Antananarivo teo aloha, Sitraka Ramanjatojaona. Antananarivo no fanovàna! Ny ankamaroan’ireo hery politika naka ny fitondrana foibe hitantanana an’i Madagasikara dia saika teto Antananarivo avokoa na tamin’ny alalan’ny fifidianana io na fanonganam-panjakana. Izay hatrany moa no nanamarika ny fipoahan’ireo krizy nifanesy toy ny tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009 ary na ny tamin’ny 2018 aza dia azo ambara fa tamin’ny alalan’Antananarivo no nanovan’ireo depiote miisa 73 tamin’izany ny fitantanana nisy teto Madagasikara. Ny zava-nisy tsy azo lavina nefa dia raha fanovàna niandrandrana fampandrosoana sy fanatsaràna ny fiainan’ny vahoakan’Antananarivo na Madagasikara iraimanontolo mihitsy no nandrasana dia tonga aty anaty fahantrana lalina isika ankehitriny. Mbola hiverina amina tantara ratsy toy izany ve nefa i Madagasikara, indrindra, i Antananarivo? Inoana fa hampiova zavatra ny mety ho fahazoan’Antananarivo ben’ny tanàna amin’ity fotoam-piasana manaraka ity, na avy amin’ny fitondrana io na avy amin’ny hery politika hafa, saingy ny tsy azo lavina aloha dia Antananarivo no fanovàna raha mbola resaka fifidianana ben’ny tanàna sy teo amin’ny tantaran’i Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap