omaly ny kandida natolotry ny fikambanana Mamiratra, Andrianarivelo Toky Harilanto na Toky Mamiratra. Nilaza ny tenany fa vonona hampamiratra ireo fokontany miisa 9 ao Antehiroka ary efa vonona ao ny vina heverin’ny tenany sy ny ekipany hanatanterahana izany fampandrosoana kasain’izy ireo izany raha tahiany ka lany ity kandida tsy miankina amina firehana politika ity. Zava-dehibe, hoy izy, ny fandraisana andraikitra ho fampandrosoana ny tanindrazana ary asa ho an’ny tanindrazana no ho atao satria tena mila izany ankehitriny ny tanindrazana. Ho fanohizana ny asa sosialy nataon’ny fikambanana Mamiratra hatramin’izay no sady noho ny fangatahan’ny maro ihany koa satria maro ireo asa miandry ho fampandrosoana ireo fokontany miisa 9 ireo no tena hery nanosika ny tena handray andraikitra. Efa nilamina sy ara-dalàna avokoa, hoy hatrany ny tenany, ny antotan-taratasy rehetra mikasika izay firotsahan-kofidiana izay. Ny kandida Toky Mamiratra no nisantatra ny fanaterana antotan-taratasy ho an’ireo te hifaninana ho ben’ny tanànan’Antehiroka, hoy ihany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,