tamin’ny alalan’Atoa Marc Ravalomanana filoha mpanorina azy. Niazo ny Foiben’ny CENI izy ireo omaly, ka naneho fa misy zavatra tsy mazava sy mampiahiahy dia hanokafana ny lisitry ny mpifidy. Efa nofaranana tamin’ny 15 mey ka nahoana no sokafana indray ? hoy ny Filoha teo aloha. Nangata-panazavana noho izany ny TIM, ka nahazo valin-teny tamin’ny CENI fa hafa ny fanokafana ny lisitra, fa misy olona manodidina ny 3 600 000 tokony mbola ho afaka hifidy. « Nifanaraka fa hanaraka tsara ny dingana, fa kosa ilay « ordonnance » azo dia ahafahana mandeha mifidy. Samihafa satria ilay « ordonnance » iny dia ahafahan’ny olona misoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy, fa tsy hoe : iny no hahafahana entina mifidy », raha ny filazan’i Marc Ravalomanana. Voafaritry ny adininy faha-42 amin’ny lalàna 2018-008 mifehy ny Fifidianana eto amintsika moa ny fahafahana miditra anaty lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny Didy hitsivolana »na « ordonnance » avy amin’ny Fitsarana, ka nilazan’ny TIM fa tsy mandà izany izy ireo satria fampiharana ny andininy faha-42. Nitondra ny soso-kevitra mba hisorohana ny mety ho fampiasana ity « ordonnance » ity hanaovana hosoka sy hala-bato amin’ny Fifidianana toy ny mety hahafahan’ny olona iray hifidy im-betsaka sy ny hahafahan’ny olona avy any amin’ny Kaominina hafa hifidy any amin’ny Kaominina hafa noho izany ny TIM, ka nilaza fa : ekena ny mbola hahafahan’ireo olona manan-jo hifidy hisoratra anarana ao anaty Lisi-pifidianana amin’nyalalan’ny Ordonnance avoakan’ny Fitsarana, kanefa tokony hoferana ny fe-potoana hanaovanaizany : ohatra hatramin’ny 15 na 30 Novambra 2024 ; Tsy azo ekena kosa ny fampiasana ny ordonnance Electorale hahazoana hifidy amin’ny andron’ny latsa-bato satria tsy ara-dalàna izany ary mety ho fitaovanahampiasaina hanaovana hosoka amin’ny Fifidianana ; Tokony hizotra ara-dalàna sy ara-drariny ka tsy hisyfanavakavahana sy fanilikilihana ara-politika nyfanomezana ireo taratasy ilaina avy eny amin’nyFokontany sy ny CENI hahazoan’ny olona nyordonnance eny amin’ny Fitsarana hisoratany anaranaao anaty Lisim-pifidianana.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,