airtel

Politique

01-sept-2023

Politique

Fifidianana Filoham-pirenena Kandida i Siteny, tsy hanao valifaty politika

Sample post image

Nanapa-kevitra ny hirotsaka ho kandida filoham-pirenena amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Siteny Randrianasoloniaiko

01-sept-2023

raha ny fanambarana nataony tao amin’ny sekoly Sacrée Cœur Toliara omaly 31 aogositra. Tsy mankasitraka ny tetezamita izy satria tsy manaja ny lalam-panorenana izany ary vao maika mandetika ny harin-karen’ny firenena, hoy ny nambarany. Nohamafisiny tao anatin’izany fanambarana izay fa tsy hanao valifaty politika izy ka izy mihitsy no hampihavana an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana raha ny resany omaly. Tamin’ny efatra ora tolakandro no nigadona tao amin’ny sekoly Sacrée Coeur Toliara ny solombavambahoaka ary natomboka tamin’ny fampahafantarana ireo olomanan-kaja sy Raiamandreny be any an-toerana ny lanonana, taorian’izay no niroso tamin’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fahavononany ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny 9 novambra ho avy izao i Siteny Randrianasoloniaiko. Nohamafisiny tao anatin’izany fanambarana izany fa maro ireo mpanao politika maniry ny hisian’ny tetezamita ka tsy hisian’ny fifidianana, vao maika mandatsaka an-katerana ny firenena anefa izany hoy izy.

MIFANARAKA AMIN'NY SOATOAVINA MALAGASY
Manana vina i Siteny Randrianasoloniaiko raha ny nambarany satria tsy maintsy miorina ambony fototra matanjaka ny fanjakana raha tiana ny hisian’ny fanjakana tsara tantana mifanaraka amin’ny soatovina malagasy, isan’izany ny lafin’ny fandriampahalemana, ny fanamboarana fotodrfitr’asa amin’ny laharam-pahamehana , ny ady amin’ny kolikoly ny lafin’ny fambolena ihany koa.Ny Fitsinjaram-pahefana no tena imatimatesany ary anatin’izany ny fanomezana faritra sy kaominina ka ampiakaranina ho 800 tapitrisa ariary ny tetibola nasionaly isaky ny kaominina.

TSY HANAO VALIFATY POLITIKA
Nambaran’i Siteny Randrianasoloniaiko tao anatin’ny fanambarany ihany koa fa hovotsorana avokoa ireo rehetra gadra politika ary ampidirina ho ara-dalàna avokoa ireo haino aman-jery nihidy noho ny resaka politika, ho atao laharam-pahamehana ihany koa ny fodian’ireo nitsoaka noho ny fanenjehana ara-politika ary isany goavna ao anatin’izany ny nanamafisany fa tsy hanao valifaty politika ny tenany raha tonga eo amin’ny fitondrana.
Nangonin'i RTT

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap