mpandraharaha amin’ny sehatry ny vato no sady mpanamory fiaramanidina, Danny Rasolofomanana. Tsikaritra amin’ny fanehoan-keviny ny tsy fahafaliany manoloana ny manjo ireo mpandraharaha amin’izay sehatry ny vato izany, na vato sarobidy io na vato fampiasa amin’ny sehatra hafa. Olon’ny fidinana ifotony izy, raha ny famaritan’ireo mpanaraka azy. 18 taona no nanomboka nitady vao vita fianarana ka nisehatra tamin’ny varotra na “agent commercial”. 47 taona ny lehilahy ankehitriny. Ankoatran’ny efa voalaza teo dia manana fiaramanidina azy manokana ihany koa ny tenany ary filohan’ny fivondronan’ireo mpandraharaha ara-bato ho an’ny fampandrosoana an’I Madagasikara na Groupement des Opérateurs Miniers pour le Développement de Madagascar (GOMDM). Efa avy nanao asana mpanentana, mpaka sary anaty lanonana, nanaraka fiofanana ara-miaramila na G6, mpitily mahay na “tireur d’élite”, mpanety, mpitondra fiara fitateram-bahoaka mampifandray an’Antananarivo sy Ambilobe ary nanao asa maro hafa ihany koa ankoatran’ireo, raha ny angom-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny