airtel

Politique

17-nov-2023

Fifidianana mampisara-bazana

Tsy narisika ny vahoaka, mihamafy ny lonilony

Sample post image

Ambany dia ambany ny tahan’ny fandraisana anjara, raha ny fizotry ny fifidianana omaly,

17-nov-2023

izay midika fa misy akony ny lonilony politika, nandaitra ny toromariky ny Firaisankinan’ny kandida niantso ny vahoaka sy ny mpanara-dia azy tsy handray anjara noho ny fahitana fa maloto sy misy hosoka ny fifidianana. Tsy resy lahatra amin’ireo kandida nanao propagandy ny olom-pirenena. Raha ny tatitry ny mpanara-maso Safidy izay tohanan’ny Vondrona Eoropeanina, ohatra, dia 22,4% ny taham-pandraisana anjara tamin’ireo toerana rehetra nanaovan’izy ireo izany hatramin’ny tamin’ny 12 ora atoandron’ny omaly, raha 44% izany tamin’ny 2018, tao anatin’ny ora nitovy. Na inona na inona horesahana dia manana ny vahoaka mpanara-dia azy ireo kandida maro an’isa nitaky fanadiovana fifidianana, saingy nanaovana bemarenina. Na tsy nanao fampielezan-kevitra aza, dia nisy olom-pirenena nandatsa-bato ho azy ireny, ary misy toerana aza tena mitarika lavitra ny kandida hafa manoloana ny kandida nanao propagandy. Fahotana mahafaty ny mody fanina amin’ny fifandrafiana sy tsy fitovian-kevitra anaty fiarahamonina vokatry ny politika sy ny fifidianana feno lonilony. Vahaolana politika no atao amin’io, fa tsy vitan’ny sarontsaronana amin’ny endrika ivelany sy ny « populisme » tahaka ny fizarana zavatra, fizarana koveta,… Izay no antony ilàna ny hoe : andao hifampiresaka sy handamina ny toe-draharaha mba tena hanorenana firenena. Izay Filoha lany ao anatin’izay dia Filohan’ny Malagasy rehetra fa tsy filohan’antoka, kanefa nialohan’ny fifidianana dia efa nandeha ny karazana fampanantenana fa izay mifidy dia hisitraka an’izao sy izao, raha tarafina amin’ilay fanangonana kara-pifidianana nisy tapakila kely voalaza fa ahafahana misitraka zavatra aoriana, raha ny ampahana tsy fahatomombanana notsikafonin’ny Firaisamonim-pirenena sy ny mpanao politika. Nialohavana herisetra, fisamborana, fanagadrana, famerezan-jo ny fifidianana, mba hampanekena ny rehetra amboletra. Raha tena manam-piniavana politika sy mijery ny firenena tokoa, ary mahatoky fa mamim-bahoaka, dia tsy matahotra fanadiovana fifidianana. Matoa tonga amin’izao dia ao raha ! Tsy vitan’ny fanerena sy fampanginana amin’ny basy aman-tafondro ny lavaka mangitsokitsoka ateraky ny tian-kano tsy tian-kano, ary tsiahivina hatrany fa ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanoeranana dia mamaritra mazava fa ny Filoham-pirenena no miantoka ny firaisam-pirenena. Tena hita taratra ve izany amin’izao fotoana izao ? Tena afaka hametraka izany ve ilay Filoha holaniana amin’ny tsy ara-drariny noho ny fifidianana mandeha ila sy tsy nankasitrahan’ny rehetra ?

Raha ny tatitry ny CENI omaly tamin’ny 11 ora alina dia birao fandatsaham-bato 1071 misy mpifidy 202 733 no namoahana ny vokatra vonjimaika, 39% ny taham-pandraisana anjara, ka voalaza fa mitarika 69,48% i Andry Rajoelina, 11,89% Marc Ravalomanana, 9,72% Siteny Randrianasoloniaiko, 2,13% Hery Rajaonarimampianina, 1,53% Tahina Razafinjoelina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap