Ho an’i Madagasikara manokana dia nantsoina teny an-toerana avokoa ny mpikamban’ny antenimieram-pirenena, mpisehatra politika, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena mba hanao latabatra boribory hifanakalozam-baovao mikasika ny fitantanana krizy aty Afrika, hoy ny solontenan’ity vondrona ity eto amintsika, Hawa Ahmed Youssouf. Tonga eto, hoy izy, ireo manam-pahaizan’ny vondrona afrikanina hizara izany traikefa rehetra izany. Te hametraka mazava ny satan’ny demokrasia sy ny fifidianana ary fomba fitantanana izahay. Isan’ny asa be ny hahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany