airtel

Politique

14-févr-2023

Politique

Fifidianana mbola be baraingo Tena handrefotra krizy be raha tsy voalamina

Sample post image

Iny efa navoakan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI iny ny tolo-kevitra momba ny datim-pifidianana filoham-pirenena 2023.

14-févr-2023

Ny 09 novambra no heverina hanaovana ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa. Any amin’ny governemanta sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izany ny baolina momba io datim-pifidianana io. Mbola baraingo ny ara-bola na ekena aza fa misy ny sora-bola 45 miliara Ar ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Adihevitra mbola tsy vita ny resaka fitakiana fanovana ny rafitra ara-pifidianana sy ny fanadiovana ny kianja politika hilalaovana, ny lalàm-pifidianana, famerana ny vola ampiasaina amin’ny propagandy,… saingy na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy handeha ny fifidianana. Hatreto, tsy azo antoka hamaha ny krizy eto amin’ny firenena fa vao mainka handrefotra krizy ny fifidianana filoha raha tsy alamina ny olana politika samihafa. Ny fifidianana filoha io mbola manjavozavo io, fa mbola baraingo tanteraka ihany koa ny momba ireo fifidianana hafa, kanefa ho tapitra ny janoary 2024, ohatra, ny fe-potoana iasan’ny ben’ny tanàna. Na ny tamin’ireo kaominina miisa 26 namoahana didy fa haverina aza tsy tanteraka intsony mandrak’ity ny androany. , “Ny tena omanintsika amin’izao fotoana izao dia ny fifidianana Filoham-pirenena satria iny no akaiky”, hoy ny Minisitry ny atitany ny 30 novambra 2022, nandritra ny tatitra nataon’ny CENI momba ny lisi-pifidianana tamin’izany fotoana, ka toa tsy hitan’ny karatra mihitsy izany aloha ny mikasika ireo fifidianana hafa. Mbola baraingo ihany koa mazava ho azyy ny fifidianana depiote, izay tena misy lanjany be ara-politika. Raha tsy I Andry Rajoelina no ho Filoham-pirenena manaraka, dia olana be indray ihany koa ny fanendrena Praiminisitra eo anatrehan’ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana izay milaza fa ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no manolotra anarana hotendren’ny Filoham-pirenena. Ahiana indray ny krizin’andrim-panjakana, raha tsy alamina ny zava-drehetra. Sa efa azo antoka fa I Andry Rajoelina no ho lany? Ara-politika, mandeha ny kajikajy sy pimaso amin’ireo ben’ny tanàna am-perin’asa, tahaka io fizarana moto ataon’ny Filoha am-perin’asa io, izay ambara fa hahafan’ireo ben’ny tanàna manatanteraka ny asany an-tsakany sy an-davany, kanefa ahiana hiandrasana tambiny ara-pifidianana. Raha ny fifidianana Filoha no mandeha aloha, dia mazava indray ny politikan’ny ratsy tarehy mangata-bady, ka ny anaran-dRay no enti-mangataka, hampiasa ny anaran’ny Filoha sy ny antokony ary ny fahefam-panjakana hahazoana tombondahiny ara-pifidianana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap