airtel

Politique

27-nov-2023

Fifidianana natao amboletra

Nolaniana an-kahamehana ny kandida Rajoelina

Sample post image

Nivoaka ny sabotsy teo tetsy amin’ny Kaomisionim-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI tetsy

27-nov-2023

Alarobia ny voka-pifidianana vonjimaika mikasika ny fifidianana filoham-pirenena malagasy ny 16 novambra 2023 teo. Fifidianana natao amboletra moa izany izy iny, raha ny tsikera nataon’ireo herivelona maro teto an-toerana hatramin’ny rafitra iraisampirenena. Isan’ireo nanakihana izany voalohany ny firaisankinan’ireo kandida miisa 11. Teo koa ny fiarahamonim-pirenena samihafa ary ny rafitra iraisampirenena miady amin’ny kolikoly toy ny Transparency international. 9 andro taty aoriana izany dia iny navoaka vonjimaika iny ny vokatra ary dia nolaniana an-kahamehana tao anatin’izay rehetra izay, raha mitaha tamin’ireo fifidianana rehetra natao tany aloha, ny kandida Andry Nirina Rajoelina. Lany tamin’ny salan’isa 58,95% ity kandida ity, raha ny nambaran’ny CENI ary nahazo vato miisa 2.856.090 tamin’ireo vato manan-kery miisa 4.844.764. Miisa 11.043.836 ny mpifidy voasoratra anaty lisitra, raha ny fampahatsiahivana nataon’ny CENI hatrany. 5.119.492 no tonga nandatsa-bato. Vato fotsy ny 127.145 tamin’ireo ary vato maty ny 147.583. 46,36% kosa ny taham-pahavitrihan’ireo mpifidy tonga nandatsa-bato. Raha ity vokatra navoakan’ny CENI ity izany dia tsy misy intsony ny fiodinana faharoa fa lany fiodinana voalohany avy hatrany ny kandida Andry Rajoelina. Ny 9 desambra izao, raha tsy misy ny fiovana, no amoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC ny vokatra ofisialy. Andrasan’ny mpanara-baovao koa anefa aorian’izay ny mety ho endri-panoherana izany vokatra izany hiseho aorian’izay satria dia sambany izany izao tao anatin’ireo repoblika rehetra nandalo no nisy fifidianana filoham-pirenena notsipahan’ny kandida maro an’isa izany teto Madagasikara ary saingy nihanjahanja irery hatrany ny heverina ho kandidam-panjakana na tany anaty fampielezankevitra io fa indrindra moa ny sabotsy teo teny amin’ny CENI satria dia kandida tokana tamin’ireo 13 isa irery ihany no tonga nihaino ny voka-pifidianana nampandresy azy teny amin’ny CENI Alarobia teny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap