airtel

Politique

07-sept-2023

Fifidianana sy raharaham-pirenena

Ambonin’ny lalàna ny kandidam-panjakana…

Sample post image

Ofisialy ny firotsahan-kofidian’I Andry Rajoelina, Filoham-pirenena am-perinasa. Tsy nahasakana azy aloha hatreto ny raharaha zom-pirenena. Mbola azy ny fahefana,

07-sept-2023

mety nandeha ny tsindry na koa fanambazana raha raisina amin’io. Ny andininy faha-42 amin’ilay lalàna fehizoro 60-064 mikasika ny zom-pirenena, dia mamaritra mazava fa ny olom-pirenena Malagasy mangataka ny zom-pirenena vahiny hafa aorian’ny faha-18 taonany, ka mahazo izany dia very ho azy ny maha Malagasy. Nezahin’ny mpitondra nororitina tamin’izay nahamety azy moa io, raha toa ka nanitrikitrika ireo mpahay lalàna sy ny kandida, fa tokony mihatra avy hatrany ny lalàna. Ny lalàmpanorenana amin’ny andidniny faha-46 ihany koa dia manamafy fa tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy ny kandida ho Filoham-pirenena. Tetsy andaniny, nisy ny fanambarana efa nataon’ireo kandida ho Filoham-pirenena miisa 8, fa tsy ara-dalàna ny firotsahan’I Andry Rajoelina. Mbola tan-dalàna ve ny Fanjakana Rajoelina sy ity Filoha ity manokana? Fa misy ambonin’ny lalana ve izany eto? Na koa manery ny lalàna hifanaraka amin’izay tiany sy ny tombotsoa politikany? Tsara ny manamarika fa talohan’ny 2010, dia nafonja kokoa io andininy io, izay nanamafy fa tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy, tsy maintsy Ray sy Reny Malagasy, saingy ny Fanjakana tetezamita no nanefy sy nanova azy hifanaraka kokoa amin’I Andry Rajoelina tamin’izany, raha tsy hilaza afatsy ny nanovana ny salan-taonan’ireo afaka mirotsaka ho kandida. Ankehitriny, betsaka ny endrika tsy fanarahan-dalàna, raha tarafina amin’ny zava-miseho. Toa tsy ny mpitondra no natao hanara-dalàna fa ny lalàna no natao hifanaraka aminy. Fanontaniana azo apetraka ohatra ny hoe: mbola voatandron’I Andry Rajoelina amin’ny maha filoha azy ankehitriny na koa aoriana raha toa ka lany izy ve ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana izay milaza fa ny Filoha no miantoka ny firaisam-pirenena? Moa tsy izy tenany mihitsy ve no lasa loharanon’ny fizarazarana sy tsy fitovian-kevitra eto? Hanahirana io any aoriana ary mety ho lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” ka ny vahiny mety ho manana na mizaka zom-pirenena Malagasy ohatra dia mety ho afaka hiady sisika hirotsaka ho kandida hofidiana ho filoham-pirenena eto. Ny taona 2009 noleferina ny fanonganam-panjakana izay fakana fahefana ivelan’ny lalàmpanorenana nataon’I Andry Rajoelina izay antony iray voalaza fa tsy nahafahany nirotsaka ny 2013. Ny taona 2018, manodidina ny 700 ny fitoriana momba ny fifidianana fa natao “azo raisina fa tsy mitombina”, ary nipoaka ny raharaha “doublons” ny febroary 2020, fa noleferina. Tonga indray ny 2023 dia mandeha ny amboletran’ny firotsahana sy ny sary politika ahatarafana kopisoroka hibodoana fahefana,… Fa efa an’I Andry Rajoelina na an’ny antoko volomboasary ve I Madagasikara?
Toky R


 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap