Mbola vao aty anaty “pré-campagne” dia efa miharihary ny romoromoro sy ny fifampihantsiana, indrindra fa ho an’ireo Antoko na koa ireo hery roa sokajiana isan’ny mpifanandrina hatrizay dia ny ankolafy Rajoelina izay eo amin’ny Fitondrana andaniny, ary Atoa Marc Ravalomanana sy ny ekipany izay eo amin’ny fanoherana ankilany. Raha fandeferana sy fanekena izay natao taminy no hita sy setriny avy amin’ny TIM hatramin’izay, dia somary niova izany ny sabotsy teo satria nanomboka nandrava ny barazan’ny mpitandro filaminana ireo mpanara-dia, ka raikitra ny fifandonana, nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso. Vao aty amin’ny “pré-campagne” dia efa izao ny sary politika eto, mainka fa mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana? Hijanona eo amin’ireo tsangan’olona na olona roa na antoko roa ihany ve izay lonilony izay rehefa tena handeha ny fifidianana sa hiitatra lavitra sanatria hiteraka ady atsanga eto amin’ny tany sy ny firenena? Ho henjakenjana ny zavatra mety hiseho sy hitranga eto raha tsy tafapetraka ny fitsipi-dalao mazava mialohan’ny fifidianana satria raha tarafina amin’izao zava-misy izao dia mety ho tahaka ny baolina an-tanimbary ny ho endrika isehoany. Efa mandeha ny ankamely, ary mety ho rombo ny hiafarany. Ny andaniny mihevitra fa matanjaka ary afaka manao izay tiany, ny ankilany mety tsy hanaiky lembenana holakoina foana. Tsy mijanona amin’ny resaka olon-droa na hery roa ihany koa ny raharaham-pifidianana, fa misy olon-kafa ao, misy hery hafa manomboka miforona, misy famondronan-kery mandeha, ao ny efa maneho ny heriny sy ny tanjany fa misy mbola mitazana,… Misy ny mety tena hanao fampielezan-kevitra, misy ny hanao fampielezam-bola, misy ny mihevi-tena ho mpandresy mialohan’ny fotoana noho ny kajikajiny, misy ny hitaty ran-kena hiandry tataka, ao ny maneho fa tsy hanaiky lembenana intsony,… Raha ny sary miseho, mety ho tonga any amin’ny “vote sanction” ihany koa ny mpifidy noho ny fahadisoam-panantenana. Ny Malagasy rahateo miha mahantra sy sahirana hatrany. Ny kianja politika anefa mbola tsy milamina, ny fitsipi-dalao mbola tsy mipetraka ka fifidianana inona no ho vanona amin’izany? Vonona hanaiky izay voka-pifidianana handeha amin’izao endriny tahaka ny baolina an-tanimbary izao ve ny rehetra? Sa hatao sorona noho ny adilahy politika sy ny fitiavam-pahefana tafahoatra hatrany indray ny vahoka sy firenena?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,