airtel

Politique

04-août-2023

Politique

Fihaonamben’ny Firaisankina Fianarantsoa

Sample post image

Hetsika am-pilaminana kanefa tsy mbola nomena alalana”

04-août-2023

Hetsika lehibe, hanolotra sy hampahafantra ny vinam-piarahamonina entiny mba ho fanavotam-pirenena manoloana ny zava-misy ankehitriny. Hanasany ny vahoakan’I Fianarantsoa tsy an-kanavaka ary hiarahana amin’ireo mpiray vina sy ny Malagasy rehetra izay tratra antso sy afaka manatrika mivantana. Hetsika izay hafanain’ny mpanakanto malaza ahitana ny Tarika Ambondrona, Mahaleo, Oladad, Majeurs 7,… Fihaonana iarahan’ny Mpikatroka anatin’ny Firaisankiana sy ireo olom-pirenena tia tanindrazana. “Hatreto anefa, na dia efa natao aza ny fomba rehetra voatondron’ny lalàna, narahina ny an-tanan-tohatra ara-drafitra sy fahefana tokony ho narahina ahafahana manao alalana ara-panjakana momba io fihaonana io, dia mbola tsy nahazo alalana hatreto. Tsy nomena alalana hanao io fihaonana io, kanefa hetsika am-pilaminana, tsy hitarika olona an-dalambe, tsy hitarika olona hanao savorovoro, fa fihaonana am-pilaminana arahina fanentanana ataon’ny mpanakanto”, hoy Atoa Patrick Randriarimanana Filohan’ny Vondrona Firaisankina Fianarantsoa. Tsy mivoaka ny alalana na dia efa 10 andro aza no nametrahana izany. Efa niova in-telo ny toerana fa nolavina hatrany, hoy ny fanajana. Manamafy anefa fa manaja ny lalàna, manaja ny fahefana ihany koa, fa mitaky ny fanajana ny zo fototra hanao fihaonam-be am-pilaminana. Na izany na tsy izany dia mampanantena antsika vahoaka sy isika mpikatroka, mpikambana Firaisankina rehetra fa hanao ezaka izahay hahafahantsika mihaona, ary manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa mba hanome alalana anay hanao hetsika am-pilaminana. Manamafy izahay fa hanaja ny lalàna sy ny fepetra takiana, ka manantena fifampihainoana”, hoy izy. Vao miresaka vinam-piarahamonina, dia tafiditra ao anatin’izany ny fomba fijery sy politika hoenti-mampivoatra ny firenena. Ao anatin’ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana isika izao, ary fotoana ahafahan’ny Fikambanana, na antoko, na vovonana politika,… mitondra ny fomba fijery, vina, fandaharan’asa ho an’ny firenena. Fotoana ihany koa hoenti-mampahafantatra ny kandida rah any sehatra politika no jerena. Ny lalàmpanorenana no mamaritra ny fahalalahana ara-politika, fahalalahana maneho hevitra, fahalalahana mamory vahoaka, fahafahana mivezivezy manerana an’I Madagasikara,… kanefa toa mihamafy ny sakantsakana samihafa!
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap