Andrasana ny fahatanterahany na tsia, fa ny azo antoka dia tsy tongatonga ho azy, fa misy antony goavana ara-politika. Voalohany ao anatin’ny vanim-potoana volana vitsy mialohan’ny fifidianana no hisiany. Eo ihany koa ny resaka mandeha amin’ny mety hisian’ny fifampiraharahana diplaomatika sy ara-pitsarana amin’ny ahafahana mamindra ireo teratany Frantsay roa Paul Rafanoharana sy François Philippe nohelohin’ny Fitondrana Malagasy higadra am-polo taonany eto fa hoe: nikasa hamono ny Filoha Rajoelina, mba hanohy ny saziny any Frantsa. Ny firesak’ireo mpanao politika mialokaloka any Frantsa tarihin-dry Fanirisoa Ernaivo, dia angatahin’ny Fitondrana Malagasy hatolotra azy ireo ireto mpanohitra ireto. Misy mihitsy aza ny resaka fa hoe: olona 15 no angatahana amin’ny Fanjakana Frantsay hosamborina. Raha ny fantatra moa dia ny 06 septambra 2023 no handalo eo anivon’ny fampanoavana Frantsay ny raharaha nisamborana an-dry Fanirisoa Ernaivo sy Marco Randrianisa. Asa izay ho tohin’iny, fa ny manitikitika ny saina ihany koa dia ny hoe: fifandrifian-javatra ihany ve ny fihaonana ao anatin’ny fahatsiarovana ny faha-50 taona katroky ny “Accord de coopération” teo amin’ny Fanjakana Frantsay sy Malagasy nosoniavina ny 04 jona 1973 no miseho ny fihaonana? Nanamarika ny tantara teo amin’ny fifandraisana ara-diplaomatika sy politika tamin’i Frantsa sy Madagasikara io, izay nisy ny lafy tsarany fa mety teo ihany koa ny lafy ratsiny. Mety hisy ve ny fanavaozana izany na fifanarahana politika vaovao eo amin’ny mpitantana roa tonta? Ankatoky ny fifidianana no handeha ny fihaonana raha ho tanteraka ka azo heverina ny mety ho fiantsoan’ny Mpitondra ankehitriny vonjy amin’I Lafrantsa, toy ny resaka fanohanana mba hitazonana ny fahefana. Sarotra rahateo ny toerany misy ny Fitondrana Rajoelina, ary kely ny herijika mbola hahalany, ka mety mitady mandeha ny fitadiavana izay fomba rehetra, toy ny fanaovana fifanarahana avo lenta amin’ny hery avy any ivelany. I Lafrantsa izay manana ny tanjany ara-diplaomatika sy to teny raha vao miresaka Vondrona Eoropeanina ohatra. Tsy mandeha fahatany anefa ny tahaka izany, fa mila tambiny goavana be ka inona no mety ho takalony raha ho tonga amin’izany?
Mahakasika ny sehatra ara-tafika, fananan-tany, fitsarana, kolontsaina ary ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ny “Accord de coopération” nosoniavina tany Paris Frantsa ny 4 jona 1973 teo amin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy tamin’izany fotoana Didier Ratsiraka sy ny sekreteram-panjakana teo anivon’ny ministeran’ ny raharaham-bahiny Frantsay, Jean François Deniau
Toky R
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny