airtel

Politique

24-févr-2025

Fikambanana Laka

«Betsaka ny namana afaka hitondra fampandrosoana haingana!»

Sample post image

Nanao fanambaràna tetsy 67ha ny fikambanana Laka ny sabotsy teo fa noho ny soa iombonana

24-févr-2025

ho an’ny firenena malagasy eto anatrehan’ny tany sy ny fanjakàna ary ny vahoaka dia hirotsaka ho filoham-pirenena ny filohan’ity fikambanana ity, Ravoninjaka, ny taona 2028. Vonon-kanampy ny fitondràm-panjakàna am-perinasa kosa nefa izy ireo manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny firenena ankehitriny, hoy ity filohan’ny Laka ity, ary raisina izany adidy izany ho an’ny tanindrazana. Madagasikara tsy maintsy mandroso amin’ny lafiny rehetra ka ny Laka ho an’ny malagasy ary malagasy ho an’ny laka. Ho an’ny soa iombonana ho an’ny firenena no nandraisana ho adidy ny fanaovana izao fanambaràna izao. Miezaka ny fitondràna fa ny manao zavatra tsy mora. Izy moa no eo aloha dia manohana izahay. Afaka hanampy azy amin’ny lafiny rehetra izahay. Efa manana sosokevitra sy tetikasa azo atolotra izahay ary efa nisy ny fihaonana tamina tomponandraiki-panjakàna samihafa. Pi-maso no ataonay! Tsy hiditra anaty governemanta izahay fa afaka manampy ary betsaka ny namana afaka hitondra fampandrosoana haingana sy maharitra ho an’i Madagasikara! Tahaka ny tafika andrefan-tanàna, mibaribary ny fahasahiranan’ny malagasy. Miantso ny malagasy tsy hifampihantsy. Tsy misy manana tombontsoa ny amin’ny hisian’ny disadisa eto. Izay hahatongavana amin’ny fifidianana 2028 no antony hanampiana ny fitondràna. Hifaninana amin’ny fitondràna izahay amin’izay fa tsy hoe ho fahavalo politikany akory, hoy hatrany ny Laka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap