Daty horaketin'ny tantaram-pirenena Malagasy ny 3 jona 2026. Mifanojo eto ny fandaharam-potoanan'ny fiadidiana ny fanavaozana Repoblika sy ny governemanta ary ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM koa dia raikitra fa hatomboka ofisialy amin'io ny dingana hanatanterahana ireo fikaonandoham-pirenena.
TENIERANA NY AMIN'NY FITANTANANA
Eny, ireo fikaonandoham-pirenena satria tsy handaminana ny lafiny politika fotsiny ihany toy ny nitranga hatramin'izay fa eto no fotoan-dehibe hikaonan-doha ka handinihan'ny mpiray firenena sy hifanaovana tenierana ny amin'ny ho fitantanana ny andrim-panjakana, ny fitantanana ny fifidianana fa indrindra koa ny hananana angon-kevitra hamolavolana lalampanorenana hisafidianana na hanaovana fitsapakevi-bahoaka, hiorenan'ny Repoblika fahadimy. "Tompon-draharaha ny fanjakana fa ny FFKM kosa no handrindra, hitarika ary hiantokana ny tsy fitanilana, ny fahadiovan'ny dinika sy ny fandravonan-kevitra rehetra", araka ny fanazavan'ny Minisitry misahana ny fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
AMBARATONGA 5
Hisy ambaratonga dimy ny fikaonandoham-pirenena, hoy ity farany ka hanomboka eny anivon'ny Fokontany izany, hiakatra eny anivon'ny Kaominina, handalo eny amin'ny Distrika, manaraka ny eny anivon'ny Faritra ary ny nasionaly no hamarana azy. Kendrena ho tontotsa hatramin'ny faran'ity taona 2026 ireo dingana ireo. Ny fitondram-panjakana Malagasy no hiantoka manontolo ny fandaniana ara-bola sy ny fampitaovana hahatontosan'ny fikaonandoham-pirenena, tsy ferana kosa anefa ny tantsoroka avy amin'ny mpiara-miombon'antoka sy izay tolo-tanana ataon'ny Malagasy tsara sitrapo. Fitondrana am-bavaka no natao tamin'ny 9 desambra 2025 fa io amin'ny 3 jona io no fiaingana. Savaranonando ihany koa ireo fikaonandoham-pirenena nataon'ny vondrona antoko na sokajin'asa vita hatreto sy izay mbola hatao. Fantatra mantsy fa mbola hisy ny fikaonandohan'ireo mpisehatra ara-politika mialoha ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena nasionaly hisorohana izay mety ho disadisa hateraky ny fifandroritan-kevitra indrindra manodidina ny fitantanana ny andrim-panjakana sy ny fitantanana ny fifidianana, izay isan'ireo foto-pitakiana tamin'ireo tolom-bahoaka nifandimby. Dingana amin'ny Fanavaozana ihany fikaonandoham-pirenena, araka ny voafaritra ao amin'ny Politika ankapobeny ny fanavaozana sy ny fandaharanasa fanatanterahana azy, naroson'ny Praiminisitra teo anoloan'ny Antenimierampirenena.
FIARAHA-MIENTANA, FIRAISANKINA, TENIERAN
Tena manandanja nefa io fikaonandoham-pirenena io, hoy ny Minisitra Hanitra Razafimanantsoa satria amin'io no "handraisana ireo fanapahan-kevitra lehibe" hifampitondrana eto amin'ny firenena. Vanim-potoana tsy tokony handalo fotsiny ny fikaonandoham-pirenena fa hanehoan'ny Malagasy fiaraha-mientana, firaisankina, hanaovany tenierana ary hireharehany fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Fantatra fa hitondra fanazavana misimisy kokoa momba izany ary koa hanentana sy hamoha ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny Malagasy ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Kol. Randrianirina Michaël mialohan'io 3 jona io.
Jean D.
Fotoana hanehoan'ny Malagasy firaisankina