Matoa ny fitondram-panjakana manaiky fikaonandoha dia miha malemy izy izay, hoy izy. Vao raikitra io dia hisy fanapahan-kevitra hivoaka dia hisy indray ny hoe ahemotra, hono, ny fifidianana taorian’ny fikaonandoham-pirenena. Rehefa tsy tanteraka ny fifidianana dia mety hivadika rotaka, tetezamita. Aleo hisy ny fifidianana fa hatsaraina fotsiny ny fanaovana azy. Fanatsarana, ohatra, ny hoe asiana QR ny karatry ny mpifidy. Azo asiana sary dia aranty eo hoe ireto daholo no afaka mifidy amin’ny 9 novambra. Tsy voatery hikitika lalàna manao an’izany. Mitombo izany eo ny mangarahara. Zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny mpanao politika amin’ny fampirisihana ny olona hifidy raha tena tia tanindrazana marina izy. Fahitako azy dia tsy maintsy hisy ny fifidianana satria vao mainka isika ho tafiditra anaty krizy raha tsy hisy ny fifidianana. Anjaran’ny fanjakana no mitady famatsiam-bola. Miova izao ny tondro rehetra satria hatramin’izay dia ny tandrefana no mpamatsy vola. Gaga aho amin’ny fivadibadihan-kevitry ny mpitondra. Taloha tsy nisy CENI na mpamatsy fa minisiteran’ny atitany, vitantsika ny fifidianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny