Fantantsika tsara, hoy izy, fa tamin’izany no nanaovana ireny Panorama ireny. Ny mampalahelo dia araraotin’ny mpanambola sasany ny fikaonandoha toy ireny mba hividianana ny fehin-kevitra andaniana volabe hivoahan’ny fehin-kevitra manakaiky na mifanandrify amin’izay tiany havoaka. Manahirana ilay izy satria ny Arema, ohatra, dia mahatsiaro voafitaka tamin’ny fikaonandoha tamin’ny andron’ny Panorama dia ohatran’ny tsy marisika intsony handray anjara amin’izany fikaonandoham-pirenena izany. Ny hevitra mitombona fa ny fanatanterahana azy mivoana amin’ny tokony hahatongavana. Ny FFKM izay mivoy azy indrindra no tokony hanao balizy. Ny Arema aloha izao dia tsy marisika ny handray anjara amin’izany satria sao dia leom-boan’anana, mivoana indray io fikaonandoham-pirenena io fa ny hevi-baventy fonosiny, indrindra, ny fifampihainoan’ny samy malagasy tsara dia tsara. Ny balizy no tokony atao mafy, indrindra moa fa ny “force exécutoire”, izany hoe izay zavatra rehetra mivoaka avy eo dia tokony hisy fampiharana. Raha tsy misy ny fampiharana dia karazan’ny fandaniana andro ny fikaonandoham-pirenena. Ny lalàna no balizy amin’ny firenena repoblikanina. Izany hoe raha tsy manana “force de loi” ny zavatra mivoaka ao dia sarotra ny fampiharana azy. Tsy maintsy avoakan’ny mpanao lalàna ho lalàna ny fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena dia mitombona amin’izay ny fanatanterahana azy. Raha tsy misy ilay balizy sy fanaovana ny fehin-kevitra ho lalàna dia tsy handray anjara ny Arema, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny