airtel

Politique

11-sept-2023

Fikarakarana fifidianana

Miha hafahafa hatrany…

Sample post image

Namoaka ny lisitra ofisialin’ireo nekena ho nahafeno ara-dalàna ny antotan-taratasim-pilatsahan-kofidiany ka ho

11-sept-2023

isan’ireo afaka ho fidiana ho filoham-pirenena malagasy ny 9 novambra izao ny sabotsy 9 septambra teo ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC. 13 isa tamin’ireo nametraka izany antotan-taratasy izany no neken’ity rafitra etsy Ambohidahy ity. 13 izay tarehimarika ankafizin’ny filoham-pirenena vao nametra-pialana, Andry Rajoelina, no sady heveriny sy ny ekipany ihany koa fa manambina azy ireo. Mampametra-panontaniana voalohany ireo mpanara-baovao ny hoe fa maninona no 13 nefa efa ho 25 isa ireo nametraka antotan-taratasy? Kisendrasendra ihany koa ve ny nampifanitsy ny laharana faha 13 tamin’ny anaran’ny kandida Andry Nirina Rajoelina raha toa ka nifanitsy tamin’ny anaran’ny kandida Tahina Razafinjoelina izany teo am-pandraisana ireo antotan-taratasy? Hatreo aloha dia tsikaritra ho miha hafahafa hatrany ity fikarakarana fifidianana indray mitoraka ity. Ho atao miharihary mihitsy ve izany ny fanomezan’ireo rafitra heverina fa natao tsy hiandany amin’iza na iza toy ny HCC sy CENI tombony manokana ho an’ny kandidam-panjakana izay efa hita fa nalalaka loatra tamin’ny famorian’olona na an-kalamanjana io anaty kaongresy hatreny an-tokontany? Ny mpanohitra rehetra nefa norarana hatrany na aiza na aiza nalehany. Sao mba efa vita mialoha koa ny atsapaka fa fombafomba sisa ny amin’ity alatsinainy ity ary hijanona amin’ny laharana ankafiziny ihany ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, dia ny laharana faha 13 satria izay sitrapony hatrany no ho tanterahana na dia efa tsy eo amin’ny toerany intsony aza?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap