izany eto amin’ity firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany hoe Madagasikara ity. Fahantrana lalina aza tsy afak’ireo mpanao politika sy mpitondra nifandimby hatramin’izay ka hatramin’izao.
EFA LASA LAVITRA BE NY MATANJAKA
Ny firenena matanjaka toa an’i Etazonia ankehitriny dia efa miditra amin’ny fifanarahana politika faran’izay avo lenta na ilay antsoina hoe «exo politique», hoy ny fanazavan’ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison. Izany hoe fifanarahana amin’ireo fanjakana misy any amin’ireo planeta hafa toy ny planeta Mars. Ny resaka politika ifandraisana amin’ny sehatra iraisampirenena sy izao tontolo izao na jeopolitika aza tsy mbola takantsika, raha raisina hatrany ny fanazavan’ity filohana antoko politika ity.
MISY TANJONA HAFA MIHITSY ?
Raha ny resaka politika eto Madagasikara, noho izany, no raisina dia heverina fa tena mbola any am-paladian’izany rehetra izany ka heverina fa ampy ny filazàna fotsiny hoe politika lalina fa tsy dia avo lenta loatra rehefa miresaka politika eto Madagasikara. Raha ny hita hatreto dia heverina koa fa mifono politika lalina, araka izany voalaza izany, ny fikasàna hitantana an’Antananarivo amin’ny alalan’ny fifidianana ben’ny tanàna rehefa mijery ireo efa nanao fanambarana fa ho isan’ny ho kandidà amin’izany fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo izany. Isan’ireo efa nilaza fa hilatsaka moa ny talen’ny serasera teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika teo aloha sady mpikambana tao amin’ny filànkevim-pitantanana ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka Madagascar Airlines teo aloha, Rinah Rakotomanga, izay mirehareha ny maha tena zanak’Antananarivo azy. Isany koa ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay zanak’Imerikasinina saingy efa ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha ihany koa. Ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, izay milaza azy ho lehibe teto Antananarivo koa isany. Tsikaritra ho efa mihetsiketsika sy nalaza ho isan’ireo hifaninana haka ny lapan’ny tanàna koa anefa ny zanak’i Farafangana efa nonina ela teto Antananarivo, Christian Tabera, izay filohan’ny tanora Kintana, avy amin’ny antoko politika Kintana. Raha ireo mety ho kandida miisa 4 ireo fotsiny izany no jerena dia karazan’ny ho toy ny fifidianana filoham-pirenena kely mihitsy ity fifidianana ben’ny tanànan’Antananarivo amin’ny 11 desambra 2024 ity. Tadidio fa tsy an’ny Merina irery intsony i Antananarivo, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Sitraka Ramanjatojaona, izay efa isan’ireo mpitantana ny kaominin’Antananarivo teo aloha rahateo. Tsara ho ,arihina fa avy ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra no lasa filoham-pirenena i :Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.
Nangonin’i J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,