Ho fanatsarana sy fanafainganana ny fikirakirana ny antontan-taratasim-bolam-panjakana amin’ny fandaniam-bola no nambara fa antony. “Araka ny voalazan’ny andininy voalohany amin’ny lalàna 2016-009 tamin’ny 22 aogositra 2016 moa dia napetraka eo ambany fiahiah’ny Filohan’nyy Repoblika ny fanaraha-maso ny didim-panjakana lf 2023-057 tamin’ny 18 janoary 2023 nentina nananganana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika nyy birao fanaraha-maso ny fandaniambolam-panjakana na ny “Bureau de Suivi des Engagements Financiers-BSE”, hoy ny Fanjakana. Dingana arahina ao anatin’io ny hoe: anjaran’ny minisitra tsirairay no mitondra ny tetikasam-pampiasam-bolany eo anivon’ny Filankevitry ny mminisitra, miaraka amin’ny tombam-bidin’ny tsenan’asa izay hataony, raha ohatra ka tsy mbola voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023. Afaka miroso amin’ny fanaovana tolo-bidy vao mahazo fankantoavana, ary mandeha avy hatrany eny amin’nyy fanaraha-maso ny volam-panjakana,… Afaka manao fanaraha-mso ny BSE raha tena manaraka ilay tombam-bidy nekena, ary raha tsy mifanaraka dia azo ajanona ny tsenan’asam-panjakana. Hisy fametrahana rindram-baiko “PRES-SIG” hampidiran’ny Minisitera tsirairay ny drafi-pandaniam-bola izay harosony mba hahafahan’ny BSE manana lisitr’ireo tetikasa hanaovana tolo-bidy sy hanamorana ny fanaraha-maso. Ho an’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena kosa, nambara fa hisy fametrahana “guichet unique” hikirakira ny pitsopitsony ara-panjakana rehetra amin’ny tolo-bidy takian’ny tsenan’asam-panjakana ka hisy fanendrena “inspecteur d’Etat” manokana hiandraikitra izany. Na izany na tsy izany, somary mampametra-panotaniana ihany hoe: sady mandidy no manapaka na “juge et parti” izany ny Mpanantanteraka ao anatin’ity fomba fiasa amin’ny fitantanana volam-panjakana ity? Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny