airtel

Politique

18-avril-2024

Filankevitry ny minisitra tao Toamasina

Mitohy ny fialana bala sy fampanantenana lava…

Sample post image

Notanterahana tao Toamasina ny filankevitry ny Minisitra mitety Faritra, notarihin’ny Filoham-pirenena.

18-avril-2024

Fotoana niresahana sy nitanisana ireo olana hitadiavam-bahalaona, ireo zavatra ambara fa efa mandeha sy tanterahana, ary nampanantena sy namohazana indray ireo fampanantenana efa dila lavitry ny fotoana izay nambara fa hatao. Niverina indray ny fialana bala ataon’ny Fanjakana eo anatrehan’ny fahapotehan’ny RN2 ka nilazan’I Andry Rajoelina fa 40 taonina eo no zakan’ny làlana, kanefa mihoatra ny 44 taonina amin’izao, ary misy hatrany amin’ny 60 taonina. Misy amboarina, saingy vetivety dia simba. Ny olana dia mihoatra lavitra amin’ny lanja, hoy ny Filoham-pirenena. Nandritra ny taona maro, hoy izy, tsy nandeha ny fandanjana fiara ka nahoana isika no ho gaga hoe: nahoana no potika ny làlana? Hoy I Andry Rajoelina izay nilaza fa tsy maintsy hamboarina io. Fahadisoana avy aiza no tsy nampandeha izany? Iza no tsy nandray andraikitra? Fa iza no nanao ratsy tantana ny volan’ny Fonds Routier? Ny RN2 ihany no simba sa ny làlana manerana ny Nosy? Nampanantenaina indray ny tetikasa “voie rapide” miainga amin’ny serananan-tsambo mipaka amin’ny RN2 izay efa tamin’ny martsa 2019 no nametrahan-dRajoelina ny vato fototra, ka fohazina indray 5 taona aty aoriana. Ny « Autoroute » Antananarivo-Toamasina moa miverina eny hatrany saingy ilay 80km nambara ho vita alohan’ny faran’ny taona 2023 aza mbola tsy hita popoka fa 10km notrongitrongisina no ao kanefa 301 miliara Ar efa voafaritra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2023 ka nankaiza io? Momba ny fanajariana ny tanàna ao Toamasina, nambaran’I Andry Rajoelina betsaka loatra ny fanorenana tsy manara-dalàna, tsy misy mihitsy ny fanitarana sy fanatsarana ny fivarinan’ny rano maloto an-taonany. Misy, hoy izy, ny tetikasa PADEV sy ny fiaraha-miasa amin’ny JICA mikasika an’izany. Noresahana ny Boulevard Ratsimilaho izay nolazaina fa tsy maintsy ho vita mialohan’ny 26 jona. Tahaka izany ihany koa ny tetikasa Miami, izay nambara fa hampiala voly sy hisarika mpizaha tany ny tetikasa Miami. Hametraka tetiandro hahavitan’ny village artisanale ihany koa ny Fanjakana. Mifoha indray ny fampanantenana ary handeha ny fitokanan-javatra any Atsinanana satria anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana isika….
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap