airtel

Politique

13-janv-2022

Politique

Filankevitry ny minisitra Tsy voaresaka ny raharaha covid-19

Sample post image

Raha samy niandry izay mety ho fanapahan-kevitra vaovao mikasika ny fivoaran’ny valanaretina coronavirus ny rehetra omaly tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra, dia tsy nahitana an’izay izany.

13-janv-2022

 Nilaza anefa ny Filoham-pirenena fa iny vanim-potoana taorian’ny fety hatreo amin’ny 10 janoary iny no hahitana na miakatra na tsia ny tranga, ary eo no andraisana fanapahan-kevitra. Nisy fidinany ny olona voan’ny coronavirus tao anatin’ny herinandron’ny taom-baovao, saingy niakatra kosa ny isan’ny maty. Sanganehana ny rehetra hoe: ahoana ny tohiny? Ireo fepetra noraisina teo aloha izany no mbola mitoetra? Manao ahoana ny fahafahana mamory olona ho an’ireo seehatra mivelona amin’izany? Ny Fanjakana izao no nilaza fa hiankinan’ny fanapahan-kevitra ny taorian’ny fety, saingy sanganehana ny rehetra,… Ny fampianarana anefa naato ary ny 17 janoary vao hiverina, ka miankina amin’izay tokony ho nambaran’ny Fanjakana omaly ny fiomanan’ny rehetra,… Fanendrena tompon’andraikitra ara-panjakana maro be efa 60 mahery no nivoitra tao, izay midika fa hatramin’izao mbola ao anatin’ny fametrahana olona ihany. Teo ihany koa ny fandraisana an-tànan’ny Fanjakana momba ny “droits et taxes” mikasika ireo entana sy fanampiana samihafa toy ny fitaovana ara-informatika ho an’ny Minisiteran’ny atitany avy amin’ny PNUD (Sampan-draharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana), fampidirana fiara sy fitaovana fanamboaran-dàlana, fampidirana masomboly apemba na sorgo nafaran’ny fandaharan’asa ara-tsakafo maneran-tany na ny FAO, ny nanafarana pasipaoro elektronika Malagasy,… no isan’ny nanamarika ny filankevitry ny minisitra omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap