airtel

Politique

27-nov-2023

Filoha laniana amin’ny tsy rariny

Vao mainka hampilentika firenena…

Sample post image

Milaza i Andry Rajoelina fa nampiseho ny fahendreny ny Malagasy, azo lazaina fa anisany modely ny fifidianana

27-nov-2023

natao teto. Zavatra ratsy no novoizina, hoy izy, kanefa tsy nisy naratra sy korontana tahaka ny mpiseho any Afrika. Fa inona ireny fandratrana sy fisamborana ary fanagadrana nialohan’ny fifidianana ireny ? Nilaza i Andry Rajoelina, fa naniry ny hitohizan’ny fampandrosoana efa nataony ny Malagasy. Raha 1 950 000 ny olona nifidy azy tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ny taona 2018, dia nihoatra iray tapitria mahery izany mitaha ny tamin’ny 16 novambra satria 2 856 090 ny voalaza fa nanome fitokisana azy manerana ny Nosy. Nilaza fa ho Filohan’ny Malagasy rehetra i Andry Rajoelina ary hampitambatra ka ho vitany ve izany raha tarafina amin’ny fihetsika ara-politika efa nasehony sy ny fifidianana feno lonilony ? Teo ny toromariky ny firaisankinan’ny kandida izay tsy nampifidy ny vahoaka mpanara-dia azy, fa tena mitombina ve ny vato azony, raha tarafina amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ? Lojika ve ny hoe : 1,7% fotsiny ny fihenan’ny tahan’ny tsy fandraisana anjara mitaha ny tamin’ny 2018 ? Volana vitsy nialohan’ny fifidianana, nilaza ny mpisolovava iray sady efa depiote lany tamin’ny lokon’ny IRD teo aloha, fa ny olona diso fanantenana tamin’i Andry Rajoelina dia ampy tsy hahalany azy. Sady efa nandeha ila sy tsy nankatoavin’ny rehetra ny fifidianana no mbola betsaka ny ahiahy amin’ny resaka kolikolim-pifidianana avo lenta, toy ny voalaza fa fisiana fanambazana na fampanantenana ara-bola ny olona, izay hita taratra tamin’ireny filaharam-be sy fitakiana nataon’ny olona taorian’ny latsa-bato ireny. Manampy trotraka izany ny ahiahy amin’ny fifidianana namboamboarina. Mihamafy ny krizy politika, mitombo ny tsy fifampatokisana, tsy manana ny tena fankatoavana ary tsy lany tamin’ny ara-drariny, fa nolaniana tao anatin’ny romoromo ny kandida Andry Rajoelina. Sarotsarotra ny hisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika, na mety manaiky tsy sazoka hisotro ny rano tsy tiana aza ny vahoaka. Ara-toekarena sy sosialy anefa, niainga 73% teo ho eo ny tahan’ny fahantrana ny taona 2019 nandraisana ny fitondrana, ary efa manafosafo 82% tao anatin’ny 5 taona nitondrana ka nandroso sa nihemotra ny firenena ? Ny mari-drefin’ny fahantrana, ny kolikoly, ny tsy fanjakana tsara tantana,… dia saika maneno sahona avokoa. Ny sandam-bola nitotongana 20% mahery tao anatin’ny 5 taona, ny vidim-piainana tena tsy voafehy, ny vahaolana ara-toekarena tsy tena hita taratra,… Hisy ve ny fahagagana ? Ho voalamina sy voarindra amin’ny politikan’ny kizarazara koveta na vola ve ny krizy sy olana samihafa? Ho voafehy ve ny ambana maro eo anatrehan’ny fahefana tsy marin-toerana sy tsy ara-drariny ? Tena afaka hanangana firenena ve i Andry Rajoelina ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap