tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Politique

Filoha misora-tena ho tompondaka Tena tsy alehany ianao, hoy ny vahoaka

Nandritra ny fandraisany ireo mpilalaon’ny Ankoay teny Iavoloha omaly no nanehoan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny tsy fahafahany niatrika ny lalao satria izy ihany koa mba voahosotra ho tompondaka tany ampitan-dranomasina.

25-août-2022

Sample post image

Raha efa somary nangingina iny resaka nampiady hevitra iny, dia nofohaziny indray. Tahaka izao ny nambarany, izay haverina eto ahafahan’ny olom-pirenena mamakafaka tsara hoe: hatraiza ny fahamarinan’ny ambarany sy ny zava-misy manjo ny firenena: “…Izaho ihany koa mba “Champion”, “champion de l’industrialisation en Afrique”, ary eto aho no manazava azy amin’ny vahoaka Malagasy hoe: tsy iadian-kevitra akory ny maha “champion” ahy izany. Matoa ianao “champion” izany dia misy antony, ary tsy adala ny olona miteny anao hoe: ianao no “champion”. Raha fintinina hoe: inona no naha “champion de l’industrialisation” ahy dia mba zaraiko aminareo ihany sy ho an’ny vahoaka Malagasy, ny naha “champion” antsika Malagasy sy ny tenako dia ny fanananana vina na “vision” hoentina mampandroso ny firenena, ny fanananana planina na “plan” hoe: ahoana no hampandrosoana ity firenena ity, ary indrindra ny fanananana “strategie”, izay no zava-misy!... Talohan’ny naha “champion” amin’ny filoham-pirenena ny tenako, ny Filohan’I Senegal Macky Sall no “champion” noho ny fananany ny “Plan pour l’émergence” an’I Sénegal izay nanaovany tanàna vaovao, indostria maro be. Talohan’I Macky Sall dia ny Filohan’I Côte d’Ivoire, izay miakatra be ny harin-karena faobe (PIB) an’izany ankehitriny, ary talohan’izany dia ny Filohan’I Ghana. Firenena matanjaka daholo ireo, izay isika Malagasy vao “champion”…!”, hoy I Andry Rajoelina. Zary lasa ataon’ny olona fihomezana ny Filoham-pirenena, raha tarafina amin’ny setrin’io amin’ny tambajotran-tserasera! “Champion de la nullité”, hoy ny sasany, “champion” amin’ny lainga sy ny abobo, hoy ny hafa, ao ny miteny fa “champion” amin’ny makety, misy ny maneho fa tompondakan’ny fanondranana harem-pirenena?, “champion” amin’ny fitantarana angano hoy ny sasany,… Tena mifanaraka amin’ny maha tompondaka azy ve ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka. Maneho ny Filoham-pirenena fa ny fananany vina sy planina hoenti-mampandroso ny firenena, kanefa vina sy planina poakaty raha jerena amin’izao zava-misy izao. Mampitaha hoe: nanana ny “Plan pour l’émergence” I Senegal dia niakatra be ny harin-kareny fa Rajoelina mba nanana ny IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) fa aiza isika izao? Moa nisy vola nanatanterahana azy? Ny azo hamehezana azy dia toa mitoetra ilay fanasokajiana nataon’ny vazaha tamin’ny andron’ny tetezamita hoe: tsy misy kalitao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpanohitra miatrika fifidianana Sarotra ilay fametrahana kandida tokana
27-mars-2023

Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo

Card image cap
Hary Razafindrazaka « Mitsangana manohitra amin’ny hevitra fa tsy herisetra »
27-mars-2023

Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

Card image cap
RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM,… “Mandeha ila ary vao mainka hiteraka krizy io CENI io”
27-mars-2023

Voaporofo mazava fa tsy vita maimaika ao anatin’ny 3 volana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa mila 8

Card image cap
Lola Rasoamaharo Gadraina noho ny resaka lonilony avo lenta ?
27-mars-2023

Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.

Card image cap
Famoriam-bahoaka Nafampana ny tany Mananjary
27-mars-2023

Nafampana ny famoriam-bahoaka nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany tany Mananjary ny sabotsy teo.

Card image cap
Andry Rajoelina Miezaka maka ny fon’ny tanora indray
27-mars-2023

Ry tanora namako, natokako ho anareo ny andro androany, nihaonako taminareo ary nizarako ireo soatoavina tiako ho ampitaina aminareo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato.

Voir plus