airtel

Politique

19-oct-2023

Filohan’ny Antenimierampirenena

Kotrehana haongana noho ny fanatsikafonany ny marina…

Sample post image

Tahaka ny natao an’Atoa Herimanana Razafimahefa, nosokajiana ho marary saina ihany koa ny Filohan’ny

19-oct-2023

Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa taorian’ny kabary nataony tamin’ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’io andrim-panjakana io afak’omaly. Izy izay sahy nilaza mazava fa sarotra ny toe-draharaha, ary mikintoantoana ny làlana hizorana hahatongavana amin’ny fifidianana. Nahitsy izy nilaza fa “amin’izao dia iainantsika ny atao hoe: “impensé juridique”, ka miantso hoe: aleo misoroka toy izay mitsabo, ary tsy tokony hifandrafy ny Malagasy izay manana ny soatoavina fihavanana”. Teny vahiny moa io fehezanteny namintinany azy io, fa raha vantanina tena tsy tan-dalàna intsony, ary tsy voafehin’ny lalàna misy, izay miteraka tsy fahamarinan-toerana sy olana goavana. Nanatsikafona fa tena mizotra amin’ny tsy izy ny firenena, mahantra ny vahoaka noho ny tsy fahampiana sy tsy fahaiza-mitantana,… Nitanisa teboka 5 lehibe izay hisiana fitakiana sy mila fanintsiana: Tsy fanajana lalàna sy lalàmpanorenana, fiandanian’ny HCC, fametrahana CENI vaovao, fanovana Praiminisitra sy governemanta, ny resaka datim-pifidianana, … Tsy niandry ela, fa ny takarivan’io ihany dia nandeha ny fampiantsoana ireo depiote IRD teny amin’ny Arena Ivandry, ka mandeha indray ny resaka fa katsahina haongana tahaka ny natao an’Atoa Herimanana Razafimahefa ity Filohana andrim-panjakana ity. Ara-diplaomatika, midika zavatra goavana ny fanatrehan’ireo Masoivoho vahiny ny fanokafana ny fivorian’ny Antenimierampirenena ny talata teo, raha toa ka tsy notopazan’izy ireo maso na kely akory aza ny tetsy Anosikely notarihin’ny Jeneraly Ravalomanana izay vao avy nofidiana ho eo amin’io toerana io. Ity farany izay nilaza fa endriky ny fiandrianam-pirenena ny azy. “Tsy izaho mihitsy no hangataka hoe: eto aho dia vonjeo izahay ato amin’ny Antenimierandoholona, ka resaka fiandrianam-pirenena ny ahy, tsy izaho mihitsy no hanao izany”, hoy izy. Endrika iray maneho, fa ny Antenimierampirenena aloha izany no andrim-panjakana tena mbola manana ny fahamarinan-toerany na « légitime » amin’izao fotoana izao satria io iaraha-mahita io ny mahazo ny etsy Anosikely, izay ny fipetrahan’ny Jeneraly Ravalomanana eo aza mbola adihevitra satria misy ny fitoriana eny amin’ny HCC nataona depiote 38 noho ny fandikan-dalàna tamin’ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana izay tokony ho ny parlemanta roa hatrany, saingy tsy izay no niseho. Ny « Avis n7-HCC/AV » tamin’ny 07 septambra 2018, ary nohamafisin’ny fanapahana 12-HCC/D3 tamin’ny 09 septambra 2023 ihany koa dia milaza mazava fa aorian’ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena am-perin’asa dia miato avokoa ny paik’ady mitondra amin’ny tsy fahafaha-miasa na « empêchement » sy fanonganana governemanta na « motion de censure », ary fandravana antenimierampirenena. Iny naongana na tratry ny « empêchement » iny ihany anefa ny Filohan’ny Antenimierandoholona.
HAHAVITA HANONGANA VE?
Ny Antenimierandoholona efa adihevitra ny fanonganana nisy, ny HCC tratry ny fitakiana fa mila ovaina na tovanana CES, ny governemanta tsy atokisan’ny kandida maro an’isa,… dia kasaina haongana koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena rehefa sahy milaza ny marina? Amin'ny lalampanorenana ny Birao maharitra no mametra ny fand ao amin'ny Antenimierampirenena rehefa fivoriana ara-potoana, fa rehefa tsy ara-potoana izay vao mibaiko ny governemanta. Ny maro an’isa anatin’ny Birao maharitra anefa no toa toa efa any amin’ny Firaisankinan’ny kandida ny maro an’isa satria ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’Antananarivo Atoa Rasolonjatovo Honoré dia efa nifindra lasy. Ny volana jona, efa nisy ny fanonganana Birao maharitra miisa 3 dia ny Filoha Lefitra avy amin’ny Faritanin’I Fianarantsoa Brunelle Razafitsiandraofa, ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’I Toliara Jean Jacques Rabenirina, ny Kestora Mamy Rabenirina,… fa nitsefotra. Hikasa hanongana an-dRtoa Christine Razanamahasoa izay nolanian’ny depiote 100% indray ka tsy maintsy mila mahazo ny ¾ ny depiote izay 105 ve raha Birao maharitra aza tsy vita ny nanongana azy?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap