airtel

Politique

31-août-2023

Fiomanana amin’ny fifidianana

Mitombo ny gafy fihantsiana ady…

Sample post image

Miakatra ny daozin’ny hetraketraka sy fihantsiana ady politika atao amin’ireo ho kandida Filoham-pirenena?

31-août-2023

Nisy omaly ny vaovao nilaza fa nosakanan’ny Fanjakana ny fiaramanidina manokana tokony hitondra an’I Siteny Randrianasoloniaiko . Voalaza fa saika handeha tamin’ny sidin’ny kaompania Tsaradia indray noho izay sakana izay, saingy nofoanana ihany koa io sidina io. Niara-lasibatra sy natao sorona tao ihany koa izany ireo olona hafa, mpandeha tsotra tokony handeha tamin’io sidina io. Ity kaompania ity izay efa mitsipozipozy kanefa mbola vonoina noho ny hambo-po politika sy hanaovana sorona ny mpanjifa tsotra tahaka izao? Andrasana indray moa izay mety ho fanazavana sy fandisoana an’ireo resaka voalaza etsy ambony ireo. Tsara ny manamarika, fa anio 31 aogositra no fotoana voafaritra fa hanaovan’I Siteny Randrianasoloniaiko fihaonana amin’ny vahoakan’I Toliara sy hanaovana fanambarana ofisialy ny haha kandida hofidiana Filoham-pirenena azy. Voatery nandeha fiara niazo ny RN7 noho izany ity depiote ity ary hotsenaina ao Andatabo Toliara anio, hoy ny mpampahalala vaovao iray. Tsy vao sambany amin’ny sakantsakana mivantana na ankolaka mahazo ny kandida ho filoham-pirenena io satria betsaka no manao fanamarihana sy mitaky fampitoviana tantana. Ny fanakantsakanana ny famoriam-bahoaka, ohatra, na any anaty efitrano sy toerana mifefy an’ny tsy miankina ohatra, dia nisy ny tratry ny don-tandroka hoe: ravao io, nandefasana Emmo-reg manodidina ny toerana nihaonana, toy ny nahazo ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana tany Fianarantsoa roatokombolana lasa izay, ny fanafoanana tampoka ny fahazoan-dàlana efa azo tany Ambositra,… Omaly 30 aogositra, naneho ihany koa ny kandida Tahina Razafinjoelina, fa hatramin’izao tsy misy valiny ny fangatahana ny fahazoan-dàlana mampiditra ny angidimby na dia efa feno aza ny taratasy rehetra takiana, ary efa tafapetraka teny anivon’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ny 13 aogositra. Ny fampidirana fitaovana tahaka itony, izay voalaza moa fa nohasarotina satria tsy maintsy alefa roa volana mialoha ny laharan’ny angidimby, ny anaran’ny mpanamory,… izay mety manano sarotra satria miankina tanteraka amin’ny orinasa mpampanofa izany any ivelany no mety hisiana fiovana tampoka satria raharaha ara-barotra io. Ampahany amin’ny sary politika miseho ny toe-javatra tahaka izany ankoatra ny mety ho endrika mivantana na ankolaka fampiasana ny fahefam-panjakana, ny fananam-panjakana, ny volam-panjakana ho amin’ny tombotsoa politika, miampy ny ahiahy eo amin’ny fikirakirana sy fikarakarana ny fifidianana. Tena fifidianana madio sy milamina ary mangarahara ve no tiana hatao eto? Hitondra filaminana sy fitoniana ve ny fihetsiky ny Fitondrana sa tena hiniana volena mihitsy ny sakoroka tsy hisian’ny fifidianana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap