raha ny fampitam-baovao voaray. Toy ny efa hita tamin’ny taona 2018 ihany mampametra-panontaniana maro indray ny zava-mitranga. Ho tratra ve na dia isana mpifidy na dia 10.000.000 isa fotsiny aza raha toa ka efa misasaka ankehitriny ny volana janoary? Tsiahivina fa mpifidy miisa 13.000.000 no tanjona ao anatin’izao fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izao, raha ny serasera novoizin’ny CENI hatrany. Hiverina indray ve ny ahiahy sy adihevitra momba ny lisitra abontsina miaraka amin’ny resaka kara-panondro sandoka miparitaka sy ny marika, mba tsy hilazana hoe tsy fahatomombanan’ny fifidianana izay efa nankaleo tao anatin’ny 50 taona teo izao? Hatramin’ny taona 2018, tamin’ny andron’ny depioten’ny fiovana na depiote 73 moa no navaozina indray ny fiandrandrana ny tena fiovana eto amin’ity firenena ity. Mijanona ho fanantenana fotsiny aloha izany hatreto ny fiovam-piainana nampanantenaina tamin’ny hetsiky ny depiote 73 isa.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,